Mofon’aina 18 Jona 2021
Romana 12. 3-8
NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy. 4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; 7 raha fanompoana amin’ny fiangonana, dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ny fampianarana; 8 raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ny fifaliana.
Raha nampianatra ny amin’izay maha-izy azy ny fiangonana i Paoly dia nanohatra ny fiangonana ho toy ny olona iray. Ny olombelona amin’ny maha-olona azy dia manana loha sy vatana. Jesoa no loha eo amin’ny fiangonana ary ny fiombonan’ny Kristianina ao amin’ny fiangonana no vatana. Ny firaisan’ny loha sy ny vatana hoy Paoly no mamelona ny fiangonan’Andriamanitra. Araka izany ny fiangonan’Andriamanitra amin’i Paoly dia
1. Fiombonan’ny Kristianina manana fanomezam-pahasoavana maro (and 5,6)
« Dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika »
Maro ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana maro, ifanaraka amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana ny Kristianina mba tsy hisy asa tsy ho tanteraka ao. Noho ny andraikitra maro eo amin’ny fiangonana dia nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samy hafa ny Kristianina. Izany fanomezam-pahasoavana maro nozarain’Andriamanitra izany dia mampandray anjara ny rehetra amin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana. Noho izany fandraisany anjara izany dia tonga sarobidy eo anivon’ny fiangonana ny tsirairay.
Mba tsy hisy fahambangana ny amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra, dia izaho sy ianao dia samy nahazo fanomezam-pahasoavana ho enti-manompo an’Andriamanitra, ho enti-mampandroso ny fiangonan’Andriamanitra.
2. Fiombonan’ny Kristianina tia fiombonana (and 4,5)
« Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy »
Miavaka tokoa ny mino noho ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy. Izany fiavahana nateraky ny fananana fanomezam-pahasoavana manokana izany anefa dia mitarika ny mino ho amin’ny fiombonana sy fampiraisana ny fanomezam-pahasoavany amin’ny an’ny hafa. Tsy mampiolonolona na mampisaraka ny fanomezam-pahasoavana fa tena mampiombona tokoa. Tonga misy lanjany sy dikany eo amin’ny fiangonana ny fanomezam-pahasoavana rehefa ho enti-miara-manompo sy manome voninahitra an’Andriamanitra.
Ny Kristianina manana fanomezam-pahasoavana dia mahatsapa fa zava-poana izany fanomezam-pahasoavana izany raha tsy ho entiny manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ny namany, izay manana fanomezam-pahasoavana manokana ihany koa. Izay ilay maha-tena iray ihany ny Kristianina rehetra eo amin’ny fiangonana.