Mofon’aina 18 Novambra 2021
Isaia 30. 18-22
ANDRIAMANITRA MARINA NY TOMPO
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy. 19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy. 20 Ary homen’ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; 21 Fa na mivily ho amin’ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. 22 Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
——————
Tafiditra ao anatin’ny bokin’ny Isaia voalohany ny mofonaina antsika. Fampitandremana ny Jiosy mba hiala amin’ny faharatsiana ny Isaia voalohany mba tsy hahababo azy ireo. Fantatsika moa ny tantara fa tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra izy ireo ka babo ihany. Mitaraina noho ny hamafin’ny asam-pahavalo ny Jiosy eto. Eo anatrehan’izany no anehoan’Andriamanitra ny maha-Andriamanitra marina Azy. Marina ny Tompo ka
1. Mamindra fo amin’izay mitaraina (and 19)
« Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy »
Ilay fitarainana eto dia antso vonjy amin’Andriamanitra noho ny loza nateraky ny fahotan’ny vahoakan’Andriamanitra. Vahoaka izay ninia niala tamin’ny Tompo ka nanompo andriamani-tsy izy. Fitarainana dia mariky ny fifonana noho ny ota nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra. Asehon’ny tantara fa tsy mahazaka mandre ny fitarainan’ny vahoakany Andriamanitra. Rehefa mitaraina izy ireo, na dia tsy marina tamin’ny Tompo aza dia vonjena sy hamindrany fo. Andriamanitra fitiavana rahateo ny Tompo.
Na dia mafy aza ny manjo anao, vokatry ny faharatsianao, azo atao tsara ny mitaraina amin’Andriamanitra, rehefa tonga anya m-poto-tsofin’ny Tompo izany fitarainana izany dia miazakazaka mamonjy Izy ka mamindra fo. Ny fahatongavan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao dia tena asa famonjena noho ny fitarainan’ny olona amin’ny herin’ny fahotana izay hitan’Andriamanitra fa tsy ho resin’ny olona mihitsy.
2. Mamelona amin’ny fotoana maha-ory (and 20)
DIEM « Homen’ny Tompo anao ny mofo sy ny rano amin’ny andro ampahoriana sy amoretana anao »
Velomin’Andriamanitra ny vahoakany, indrindra amin’ny fotoana izay mampahory sy mampijaly azy noho ny asan’ny fahavalony. Ataon’Andriamanitra tsapan’ny vahoakany fa mbola RAINY Izy, ary adidin’ny Ray ny mamelona ny zanany. Ny asam-pahavalo dia tsy ahafahana manao asa araka ny tokony ho izy hivelomana. Noho izany dia Andriamanitra no miasa mamelona ny vahoakany. Marina amin’ny maha-Ray Azy Andriamanitra. Mahazo matoky an’Andriamanitra isika, fa na dia fotoan-tsarotra aza no lalovantsika dia manaiky hikarakara antsika mandrakariva Izy. Aoka isika fotsiny hitoetra tsara amin’ny maha-zanany antsika. Tsarovy mandrakariva fa « Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany » hoy Tompo (Isa 45. 11).