Mana isan’andro 18 Novambra 2021
SALAMO 8 F.1,6
ENDREY…!
1 [Ny voninahitr’Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an’ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon’i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao.
2 Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?
5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
6 Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony,
7 Dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8 Mbamin’ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina.
9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!
“Endrey ny voninahitry ny anaranao…” (1) no fampidirana sady famaranana ity salamo ity. Manao ahoana ny fisehon’izany voninahitr’Andriamanitra izany?
Voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny zaza minono (1-2).
Tsy roa aman-tany eo anatrehan’ny Tompo Mpahary ny zaza madinika sy minono. Tiany, tandrovany toy ny anakandriamasony ka hanehoany ny voninahiny lehibe. Tsy vitsy ny zaza menavava, misy kilema na aretina dieny mbola ao an-kibon-dreniny; ka mety vao teraka dia miatrika fandidiana. Sedra be sahady! Miaramilakelin’ny Tompo ireny anehoany ny fahalehibiazany, ampiteneniny, ampiasainy hanohitra ny asan’ny maizina (aretina ohatra).
Voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny olona manontolo (3-6a).
Na dia miteny aza ny mpanao salamo hoe « Jehovah o ! aza izahay no omena voninahitra…!” (Salamo 115.1), dia fahafinaretan’ny Tompo mihitsy ny mampisatroka voninahitra ny olony (5). Mametraka ny olombelona eo amin’ny ivon’ny planiny Izy. Bitika eo anatrehany isika kanefa dia nomeny lanja mihoatra lavitra ny asan’ny tanany rehetra. Tsy vitan’izany fa nomeny fahefana hanjaka sy hitandrina ny zava-boaariny (Genesisy 2.15-17). Noho izany, dia tsy maintsy miasa isika raha mbola atoandro ny andro. Asa fiderana sy fanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy Mpanjakantsika ho fisantarana sahady ny Fiainana mandrakizay dieny ety an-tany.
Voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny karazam-biby rehetra (6b-9).
Karazam-biby an-dranomasina sy an-tanety misento no tiantsika ho hita (Romana 8.22) sa karazam-biby mitory ny voninahitr’Andriamanitra? Anjarantsika no mitandrina ireny tsy hampisento azy. Ny sakafon’ny tarondro anie ka lalitra sy moka e! Aza maika hamono biby fahatany!
Hira : He, dera, laza, hery… ny zaza no hilaza ny voninahitrao (FFPM 780). Meteza ho tahaka ny zaza (Lioka 10.21).
FAMPIDIRANA NY BOKIN’ NY NEHEMIA
Ny bokin’i Nehemia no ahitantsika ny tantara faran’ny Zanak’Israely ao amin’ny Testamenta Taloha. Ireo zava-nitranga notantarainy dia nanomboka teo amin’ny 30 taona taorian’ireo izay voalaza ao amin’ny bokin’i Estera ary 13 taona taorian’ny fiverenan’i Ezra.
Aorian’ny bokin’i Ezra dia miresaka momba ny fiverenana fahatelo tany Jerosalema ny bokin’i Nehemia ny taona 445 talohan’ny JK. Nasongadin’ i Ezra ny famerenana amin’ ny laoniny ny lafiny ara-pivavahana : fanamboarana ny alitara izany, ny fanorenana ny tempoly ary ny lalàn’ ny Tompo, izany hoe ny Tenin’ Andriamanitra.
Fa ny andraikitr’i Nehemia indray dia ny fananganana ny rindrina sy vavahadin’ny tanànan’i Jerosalema. Ny tanàna dia endriky ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny fiaraha-monina. Misy ireo fahavalo avy any ivelany sy ireo mpifanandrina ao anatiny mijoro hanohitra an’i Nehemia mpanompo mahatoky. Ny mandan’i Jerosalema dia niaro sy nanasaraka ny mponina tamin’ny fanafihana sy fitaoman’ny hafa avy any ivelany