Mofon’aina 16 Desambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 17 Desambra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 15 Desambra 2021

Mofon’aina 16 Desambra 2021

Mpitoriteny 2. 24-26

ANDRIAMANITRA MANOME IZAY MAHASOA ANTSIKA

Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra 25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?). 26 Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
——————
Ny Mpitoriteny dia boky somary manahirana ny olona ny mandinika azy. Sarotra takarina ny hevitry ny zavatra voasoratra ao. Tafiditra ao amin’ny bokin’ny Soratra na literatiora Hebreo izy. Maro no mirona amin’ny hoe Solomona Mpanjaka no nanoratra azy. Misy voambolana miverimberina ao amin’ny boky, toy ny hoe : zava-poana dia zava-poana ; ambanin’ny masoandro ; hitako ; misambo-drivotra ; sns… Ny fiverimberenana moa dia milaza fanamafisan-kevitra tiana ampitaina. Fa raha mamaky ny and 26 amin’izao mofonaina izao isika dia mahita fa izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny
1. Fahendrena
« Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena »
Ny hoe hendry dia olona mahalala izay tokony hataony ka manao izany tsara. Ny hendry koa dia kinga, indrindra raha hamaha olana. Ny hendry dia ilazana olona mahay mitondra tena tsara, manam-panahy hoy isika Malagasy. Araka ny fahendrena ambaran’i Solomona amintsika eto dia omen’Andriamanitra antsika izany fahendrena izany rehefa mahazo sitraka avy Aminy isika. Rehefa mandinika an’i Jesoa isika dia tena hendry Izy satria hita teo Aminy avokoa ireo singa mamaritra ny fahendrena ireo. Mangataha fahendrena avy amin’Andriamanitra, fa zavatra ilaina ho enti-miaina mihitsy izany ankehitriny.
2. Fahalalana
« Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny … fahalalana »
Ny fahalalana dia fahaizana na fahatakaran-javatra iray. Ary io fahaizana na fahatakaran-javatra io no manampy amin’izay fanapahan-kevitra horaisina. Raha tsy ampy fahalalana ny olona dia mety hanaotao foana eo amin’izay fanapahan-keviny, indrindra raha zava-dehibe no hanapahan-kevitra. Ny fahalalana koa dia ho enti-milaza ny fahaizana ny momba an’Andriamanitra, momba ny Soratra Masina. Raha te hanam-pahendrena mantsy dia mila manam-pahalalana an’Andriamanitra, izay tena Hendry. Izay mahazo sitraka amin’Andriamanitra no hahazo fahalalana momba Azy, ary izay ampy fahalalana an’Andriamanitra no hanam-pehendrena amin’izay rehetra ataony. Somary mikorontana izao tontolo izao, satria tsy ampy fahalalana an’Andriamanitra ny olona, hany ka manaotao foana ny ankamaroan’ny olona, ary korontana no aterak’izany.
3. Fifaliana
« Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny … fifaliana »
Ny fifaliana dia marika iray ilazana fiadanana noho ny fiainana milamina. Rehefa feno fahendrena ny olona mitondra ny fiainany dia hanam-pifaliana izy. Ny fifaliana arak’izany dia vokatry ny fahaiza-mitondra tsara ny fiainana, fahaiza-mitondra azy araka ny fahendrena noho ny fahalalana an’Andriamanitra. Tsy zavatra tongatonga ho azy arak’izany ny fifaliana fa tena voka-javatra tsara eo amin’ny fiainan’ny olona. Betsaka ny adala, betsaka no tsy manam-pahendrena hany ka tsy dia misy fifaliana. Tena zava-dehibe arak’izany ny mangata-pahendrena sy fahalalana amin’Andriamanitra fa miantoka ny hilaminan’ny fiainana izany, izay mitondra ho amin’ny fifaliana.