Mofonaina 16 Desambra 2020
Matio 11. 25-30
JESOA KRISTY NO MESIA
Tamin’izany andro izany dia namaly Jesoa ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
Rehefa nanao asa tao amin’ny tanàn’i Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy Jesoa dia tsy tsapan’ireo olona tao amin’ireo tanàna ireo akory ny hasarobidin’ny asa nataony tao. Tsy tsapan’izy ireo satria Jesoa tamin’izy ireo dia toy ny olona rehetra teo an-tanàna ihany na dia nanana fanomezam-pahasoavana mahagaga aza. Tsy tsapan’ireto olona teo amin’ny tanàna ihany koa ny maha-Mesia an’i Jesoa, koa izany no antony tsy dia nanaovan’izy ireo ny asan’i Jesoa ho tena zava-dehibe. Arak’izay nambaran’i Jesoa anefa, ny asa maro nataony tao dia tena tokony ho nitarika azy ireo ho amin’ny fibebahana, ny asa nataony tao dia tena fiarovan-dehibe amin’ny fandringanana. Rehefa tsy hinoana tokoa Jesoa dia sarotra ny mandray ny fahasoavan-dehibe avy Aminy. Jesoa anefa no Mesia, Izy no
1. Mahalala tsara an’Andriamanitra (and 27)
“ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko ho Ahy, ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy”
Jesoa araka ny fampianaran’ny mpanoratra ny filazantsara no fanehoana feno an’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao. Nisy fotoana mantsy nitadiavan’ny olona hahita an’Andriamanitra. Rehefa niseho sy naneho ny tenany tamin’ny alalan’i Jesoa Andriamanitra dia tsy neken’ny olombelona ho fanehoana feno an’Andriamanitra Jesoa. Izy anefa arak’izay ambarany eto no maneho feno an’Andriamanitra. Ary raha misy te hahalala an’Andriamanitra marina tokoa dia tsy maintsy amin’ny alalany. Tsy ho fantratry ny olona na oviana na oviana Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Sambatra isika Kristianina fa afaka mahalala feno an’Andriamanitra, amin’izay hanehoany ny tenany ao amin’i Jesoa Kristy izay hinoantsika sy hekentsika ho Mesia. Fa heverina fa adidintsika koa ny mampahafantatra an’i Jesoa sy mitaona ny olona hanaiky an’i Jesoa mba tsy ho isika irery no hahalala an’Andriamanitra fa ny olona rehetra.
2. Izy no manome fitsaharana (and 28)
“mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”
Amin’ny maha-olombelona antsika dia vesaran-javatra maro eto amin’izao tontolo izao isika. Vesatra izay tena mampahory sy mampijaly antsika. Ny fanatonana an’i Jesoa ihany, izay manana hery sy fahefana hanamaivana antsika no hanafaka antsika amin’izany. Jesoa irery no afaka manaisotra izay rehetra manavesatra ka mampahory antsika. Izy no nirahin’Andriamanitra hanao izany asa fanamaivanana, fanafahana antsika izany. Efa nomen’Andriamanitra Azy rahateo koa ny hery sy fahefana hanao izany. Tsy misy eto amin’izao tontolo izao afaka hanao izany afa-ts’i Jesoa irery ihany. Jesoa irery no afaka mampitsahatra ny fahoriana sy ny fahasahiranana mety mahazo ny olona eto amin’izao tontolo izao. Efa maro ny olona teto amin’izao tontolo izao tamin’ny andro naha-teto amin’izao tontolo izao an’i Jesoa no nisitraka izany asan’i Jesoa izany. Ary maro no mbola misitraka izany mandraka androany. Adidintsika Kristianina ny mampahafantatra an’i Jesoa, Ilay Mesia mba ho ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao no ho afaka hanatona an’i Jesoa hamaivanin’i Jesoa ny entany mavesatra.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina