Mofonaina 15 Desambra 2020
Marka 9. 14 – 29
JESOA MANDRESY NY DEMONIA
Ary nony tonga teo amin’ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireto? Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra o, nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. Ary Jesoa namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy. Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesoa izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. Ary Jesoa nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. Fa hoy Jesoa taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Ary niaraka tamin’izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsy finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. Ary nony hitan’i Jesoa fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ny maro hoe: Maty. Fa Jesoa nandray ny tanany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. Ary rehefa tonga tao an-trano Jesoa, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[* Na:Nahoana izahay no] Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].
Zazalahy iray nampahorian’ny demonia, izay efa noezahina noentina teo amin’ny mpianatr’i Jesoa kanefa tsy sitrana. Rehefa noentina teo amin’i Jesoa kosa dia nositranin’i Jesoa rehefa nino rainy fa Jesoa mahay manasitrana azy. Avy amin’izao tantara izao no hafantarantsika fa
1. Ampahorian’ny demonia isika rehefa lavitra an’Andriamanitra (and 17,18)
“Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra o, nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy”
Ambaran-drainy mazava tsara eto fa eto amin’ity fotoana ity vao noentina teo amin’i Jesoa. Izany hoe noentina teo amin’Andriamanitra ity zazalahy ity. Tsy dia mahagaga loatra raha nampahorian’ny demonia izy. Lavitra an’Andriamanitra, lavitra ny Herin’Andriamanitra izy. Hanjakazakan’ny demonia mantsy ny olona, izao tontolo izao rehefa mbola lavitra an’Andriamanitra izy. Rehefa tsy eo ny Tompo dia manao ny ataony ny demonia.
Be dia be ny sehatra ezahina ampanalavirina an’Andriamanitra, ataon’ny olona, izao tontolo izao izay tsy hahazoan’Andriamanitra laka. Be dia be koa anefa no fahoriana sy fahasahiranana hita ao. Izao tantara izao dia tena anatra ho antsika fa mampahory sy mampijaly ny lavitra an’Andriamanitra, ny tsy ao amin’Andriamanitra.
2. Jesoa mamonjy antsika rehefa mino isika (and 23,24)
“Fa hoy Jesoa taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Ary niaraka tamin’izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsy finoako”
Olona telo karazana no novonjen’i Jesoa teto
– mpianatra izay kely finoana ka tsy nahavoaka demonia. Novonjen’i Jesoa mba ho afaka amin’ny fahafaham-baraka satria mba mpianany ihany kanefa tsy mahay mandresy demonia. Hita avy amin’izao koa ny fetra maha-olombelona, ka teo amin’izay maha-voafetra azy ireo no nanomboka niseho ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa
– raim-pianakaviana izay tapi-dalan-kaleha nefa ory noho ny fahorian-janany. Nitalaho tamin’i Jesoa mba hovonjeny, ka rehefa tonga tamin’ny finoana, nanaiky fa Jesoa no Irak’Andriamanitra hamonjy azy dia voavonjy.
– zanaka lahy fatoran-demonia, nokasain’ny demonia hovonoina matetika fa tsy navelan’Andriamanitra tsy hifanena tamin’i Jesoa mba afahana amin’izao mamatotra azy izao. Noho ny finoan-drainy dia avotra soamantsara.
Jesoa no Andriamanitra manafaka ny olona rehetra amin’izay mampahory azy na inona izany na inona.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina