Mofon’aina 13 Novambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 14 Novambra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 12 Novambra 2021

Mofon’aina 13 Novambra 2021

Apokalypsy 21. 1-5

ANDRIAMANITRA MANAVAO NY ZAVATRA REHETRA

Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty: fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
——————
Ny Bokin’ny Apokalypsy dia nosoratan’i Jaona ho fampaherezana ireo Kristianina niharan’ny fanenjehana noho ny fijoroana vavolombelona tamin’ny taonjato voalohany. Iray amin’izay tena nampaherezana azy ireo ny tenin’ny Tompo hoe : « Indro, havaoziko ny zavatra rehetra » eto amin’ny and 5. Fa ahoana tokoa moa ny hevitr’izany ?
Ireto no hafatra ifampaherezana avy amin’izany
1. Asan’Andriamanitra ny manavao ny zavatra rehetra
Hoy ny Tompo : indro, havaozi-KO ny zavatra rehetra. Tsy misy fanavaozana eto amin’izao tontolo izao raha tsy miasa arak’izany Andriamanitra. Ny asan’Andriamanitra madiodio no ho enti-manavao ny zavatra rehetra. Rehefa avela hiasa Andriamanitra dia mihavao ny zavatra rehetra. Ny olona noho ny herin’ny ota ao aminy dia tonga mpanimba sy mpamotika ny zavatra rehetra. Andriamanitra noho ny heriny kosa dia afaka mahary zava-baovao. Potika sy ravan’ny fanenjehana ny fiainan’ny Kristianina, reraka sy kivy izy ireo ka ampanantenaina zava-baovao ateraky ny asan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.
2. Asan’Andriamanitra ny mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra
Mamerina ho vaovao no hevitra voalohany amin’ny hoe manavao. Averina amin’ny laoniny ho toy ny tamin’ny voalohany naharian’Andriamanitra azy. Mahary indray izao rehetra izao Andriamanitra. Ary antony iray tena nanirahana an’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao izany. Mahary fiainam-baovao ho an’ny mino Azy rehetra Jesoa. Ary ny tena mahafinaritra dia mampiditra ny mino ho amin’ny fiainana mandrakizay, fiainana tsy misy herin’ny ota Jesoa. Koa izay niharan’ny tsy rariny, niharan’ny fanenjehana teto amin’izao tontolo izao dia anisan’izay hisitraka izany fiainana vaovao noharian’Andriamanitra ao amin’ny fanjakany izany. Rehefa miasa arak’izany Andriamanitra dia miverina amin’ny laoniny avokoa ny zavatra rehetra, miverina ho vaovao. Azony atao tsara arak’izany no mamerina ny fiainantsika amin’ny laoniny.