Mofon’aina 13 Desambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 14 Desambra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 12 Desambra 2021

Mofon’aina 13 Desambra 2021

Salamo 4. 1-8

NY FIFALIAN’NY MPANAO SALAMO

Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. 2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? 3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho. 4 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina. 5 Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’i Jehovah. 6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ny tavanao, Jehovah ô. 7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony. 8 Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
——————
Eo amin’ny and 7 dia manambara ny mpanao salamo fa efa nomen’Andriamanitra fifaliana izy. Fifaliana tsara lavitra noho ny tamin’ny nahazoana vokatra sy fitahiana tamin’ny fambolena. Fifaliana izay nampandry azy tamin’ny fiadanana ka nanana fiainana tsy nisy ahiahy izy. Faly ny mpanao salamo noho izy
1. Nahazo rariny tamin’Andriamanitra (and 1)
DIEM « Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy ô ! »
Mahalala ny fahamarinan’ny mpanao Salamo Andriamanitra ka miandany aminy sy manome rariny azy. Noho ny mpanao salamo nahazo rariny tamin’Andriamanitra dia faly izy. Ny olona eto amin’izao tontolo izao tokoa dia voafetra ny fahalalany ny marina sy ny rariny, ary satria voafetra izy dia mety ho diso ny fitsarany. Andriamanitra kosa anefa no mahalala ny miafina indrindra, ary ny fitsarany no marina. Noho ny Tompo mahalala ny marina dia manome rariny ny mpanompony izay hitany fa marina. Mifalia ry havana, fa miandany amintsika Andriamanitra ka manome rariny antsika mandrakariva. Noho ny amin’i Jesoa, isika na dia mpanota aza dia hamarinin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa. Izany no tena fifaliana lehibe indrindra ho antsika.
2. Nohenoina vavaka (and 1)
DIEM « raha miantso vonjy aho mba valio. Tao an-kanterena aho no efa nafahanao ; iantrao ary aho ka henoy vavaka »
Ny hoe tao an-katerena dia ho enti-milaza olona tao anaty olana lehibe. Rehefa nanana olana ny mpanao salamo dia niantso an’Andriamanitra izy hamonjy sy hanafaka azy. Nafahan’Andriamanitra tao an-kanterena izy araka izao nolazainy eto izao. Ny fanafahana tao an-kanterena dia tena filazana fa nihaino vavaka ny Tompo ka namonjy. Loharanom-pifaliana ho an’ny mpanao salamo arak’izany ny nihainoan’Andriamanitra vavaka azy sy ny nanafahan’Andriamanitra azy. Mifalia koa isika kristianina fa tena nihaino vavaka antsika ny Tompo ka efa namonjy antsika tamin’ny alalan’i Jesoa, efa nanasitrana antsika tamin’ny aretintsika rehetra Izy, efa namonjy antsika tamin’ireo karazana asan-demonia. Raha hotanisaina eto ny namonjen’Andriamanitra antsika dia ho maro tokoa izy. Aoka ireny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ireny no ho loharanom-pifaliana ho antsika koa.