Mofon’aina 11 Jolay 2021
Jaona 10. 1-10
ONDRIN’I JESOA ISIKA
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. 2. Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry. 3. Ary izy no vohan’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka. 4. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. 5. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny. 6. Izany fanoharana izany no nolazain’i Jesoa taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. 7. Dia hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry. 8. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. 9. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. 10. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
Fampianaran’i Jaona momba ny fifandraisan’i Jesoa amin’ny Kristianina ny mofonaina androany. Miainga amin’izay zava-nisy tany Palestina momba ny fifandraisan’ny ondry sy ny mpiandry ondry ny fampianarany. Misy fifamatoran’aina eo amin’ny ondry sy ny mpiandry azy, izay mariky ny fifamatoran’aina eo amin’i Jesoa sy ny kristianina. Ireto no famaharinana tsara hotadidiana. Ondrin’i Jesoa isika ka
1. Mihaino Azy (and 3,9)
« Ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka… Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be »
Fifamatorana aman’aina hoy isika no ifamatoran’ny mpiandry ondry sy ny ondry. Ny mahagaga tokoa dia ny fahafantaran’ny ondry ny feon’ny mpiandry azy. Koa izay baiko omen’ny mpiandry dia tanterahin’ny ondry. Fantany mantsy fa miankina amin’ny fahaizany mihaino ny mpiandry azy no hahavelona azy. Indrindra rehefa hoentiny mivoaka ny vala ho any amin’ny toerana izay hihinanany hanina. Adidin’ny mpiandry ny mitondra ny ondry amin’ny toerana hihinanany hanina, adidin’ny ondry ny mahay mihaino ka manaraka ny mpiandry amin’izay itondrany azy.
Izany fifamatoran’ny ondry amin’ny mpiandry azy izany no nampianarin’i Jesoa eto. Miankina amin’ny fahaizan’ny kristianina mihaino an’i Jesoa izay mpiandry azy no hahavelona azy. Jesoa mantsy no ambaran’i Jaona fa Mpiandry tsara. Noho Izy Mpiandry tsara dia tsy mikendry afa-tsy izay hahavelona ny ondriny. Aoka hazoto hihaino tsara an’i Jesoa isika, amin’ny maha-ondriny antsika. Miantoka izay hahavelona antsika izany, dia fahavelomana mandrakizay.
2. Miditra eo Aminy (and 7)
« Dia hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry »
Eo amin’ny vavahady no idirana amin’ny toerana iray. Raha ho any an-danitra ny mino, raha hiditra any amin’ny fiainana mandrakizay dia misy vavahady idirana any. Raha diso vavahady dia mety ho tonga amin’ny toerana tsy izy. Ambaran’i Jesoa fa Izy no vavahady tokana hidirana any an-danitra. Tsy hoe lalana fotsiny arak’izany Jesoa fa tena vavahady mihitsy. Koa izay mandeha ao Aminy, izay miditra eo Aminy no tafiditra any an-danitra. Te hampianatra ireo nihaino Azy Jesoa, indrindra fa ny Jiosy fa raha tsy amin’ny alalany tsy misy mankany an-danitra na oviana na oviana. Sambatra isika Kristianina efa mino an’i Jesoa, tsy diso vavahady ka efa azo antoka ny fidirana any an-danitra. Andeha anefa hitaona olona maro, mba tsy ho isika irery no hiditra amin’ny vavahady ka hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.