Mofon’aina 11 Janoary 2022 Ny teo aloha know about the Rolex... Ny tao aoriana Mofon'aina 10 Janoary 2022

Mofon’aina 11 Janoary 2022

Marka 12. 28-34

KRISTIANINA TSY LAVITRA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Dia nanatona an’i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy. Dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra? 29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitra iray ihany; 30 koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra”(Deo 6. 4,5) 31 Ary ny faharoa dia izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Lev 19. 18) Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. 32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny ho tia Azy amin’ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. 34 Ary raha hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
——————
Manomboka eo amin’ny Mar 11 dia niditra tao Jerosalema Jesoa. Rehefa avy nandrava ny tsena tao amin’ny tempoly Izy dia nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly. Nanontanian’ny Jiosy Jesoa ny amin’izay nanome fahefana Azy hampianatra teo an-kianjan’ny Tempoly. Novalivan’i Jesoa hoe Andriamanitra no nanome izany fahefana izany. Saika hofandrihana indray Izy momba ny amin’ny fandoavan-ketra, niala tamin’ny henatra ireo mpamandrika. Farany dia fanontanian’ny Sadoseo mahakasika ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Voavalin’i Jesoa tsara izy ireo ka nahatonga ity mpanora-dàlana eto ity nahalala fa namaly tsara ireo Sadoseo Jesoa. Fanontaniana farany napetraka tamin’i Jesoa no hitantsika eto, fanontaniana ny amin’ny didy lehibe indrindra. Rehefa nahazo valin-teny avy tamin’i Jesoa koa ity mpanora-dalàna dia nambaran’i Jesoa fa tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra izy. Ny olona toy ny ahoana tokoa moa no tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ? Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra izay
1. Manatona sy mifandray amin’i Jesoa (and 28)
« Dia nanatona an’i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare… dia nanontany Azy »
Na dia mpanora-dalàna aza ity lehilahy ity dia indro asehon’ny tantara fa tonga mifandray amin’i Jesoa. Ny fanatonana an’i Jesoa sy ny fidirana amin’ny fifandraisana Aminy dia efa dingana lehibe ataon’ny olona hifandray tsara Aminy. Tsy hita eto amin’ity perikopa ity koa ny hoe te hamandrika an’i Jesoa ity mpanora-dalàna ity, izay hitantsika eo amin’ny perikopa alohan’ity. Te hifandray amin’i Jesoa amin’ny fahatsoram-po, te hianatra amin’i Jesoa izy. Ity fanatonana an’i Jesoa ity dia azo ambara fa finoana Azy ihany, asan’Andriamanitra rahateo ny mahatonga ny olona ho afaka hanatona an’i Jesoa. Hoy mantsy Jesoa : « Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy » Jaona 6. 44.
Ry havana, ny fifandraisana amin’i Jesoa dia tena zava-dehibe hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra, Jesoa rahateo mantsy no manana ny fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra, amin’ny alalany no hidirana any. Mba manaova ny ezaka rehetra hifandraisana amin’i Jesoa, izany no dingana voalohany hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
2. Liana amin’ny didin’Andriamanitra (and 28)
« Dia nanatona an’i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray… Dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra? »
Ilay fanontaniana dia nifototra tamin’ny fahalinana ny amin’ny didin’Andriamanitra. mpanora-dalàna moa ity manontany, lojika ny fanontaniany, manodidina mandrakariva ny momba ny lalàna sy ny didy. Fahalinana ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra no hitantsika eto. Ary matoa liana, dia ao koa izay mety ho fikasana ny amin’ny fanatanterahana izany. Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra arak’izany izay liana te hahalala bebe kokoa ny amin’ny didin’Andriamanitra sy ny fomba fankatoavana izany. Izay tonga eo amin’i Jesoa, mifandray tsara Aminy dia ho tonga amin’ny fahaiza-mankato ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva.
3. Mahatakatra ny fampianaran’i Jesoa (and 34)
« Ary raha hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy »
Ilay valintenin’ity mpanora-dalàna dia ahitana taratra fa takany tsara ny hevitry ny fampianaran’i Jesoa momba ny didin’Andriamanitra. Azony tsara izay tian’i Jesoa hahatongavana raha nampianatra ny didy izy. Noho izany dia nambaran’i Jesoa azy fa tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra izy. Tena asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny olona no mahatonga ny olona hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe izay manaiky ny asan’ny Fanahy Masina no hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra. Meteza iara-miasa mandrakariva amin’ny Fanahy Masina mba hahay hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra sy hiaina hifanaraka amin’izany.