Mofon’aina 10 Janoary 2022
Habakoka 3. 17-19
FIFALIANA EO ANATREHAN’NY TOE-JAVATRA MANDISO FANANTENANA
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, 18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. 19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.
——————
Habakoka dia noheverina fa naminany tamin’ny taona 605 talohan’i Jesoa Kristy. Tamin’izany fotoana izany no nanafian’ny Babylonianina ny Jiosy tao amin’ny fanjakana Atsimo. Efa manakaiky rahateo raha ny fahababoana tamin’ny androny. Mamaly ireto fanontaniana ireto ny famakiana ny boky : mety handresy ve ny marina eo anatrehan’ny zavatra izay tsy hananana fanantenana ? Rehefa manjaka ny ratsy, tena miditra an-tsehatra tokoa ve Andriamanitra ? Toy ny resaka nifanaovan’Andriamanitra amin’i Habakoka ny firafitry ny boky ka vavaka nataon’i Habakoka no mamarana azy. Tena matoky tanteraka an’Andriamanitra ny mpaminany ary fantany fa Mpamonjy Andriamanitra. Ireto no hafatra ifampaherezana :
1. Mety mandiso fanantenana izao tontolo izao (and 17)
« Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra »
Trangan-javatra maro no ambaran’ny mpaminany eto mety mandiso fanantenana eto amin’izao tontolo izao. trangan-javatra izay mety mahakivy sy maha-ketraka amin’ny maha-olombelona ny tena. Trangan-javatra izay iankinan’ny fiveloman’ny tena : tsy mamokatra ny saha, maty sy ringana izay nompiana. Raha mbola eto amin’izao tontolo izao dia zavatra mety mitranga izany, indrindra ho an’izay manompo an’Andriamanitra. Be dia be tokoa no endriky ny tsy fahombiazana eto amin’izao tontolo izao, ary amin’ny maha-olombelona voafetra no antony iray mety mahatonga izany. Ny tsy fahombiazana ihany koa dia tena vokatry ny maha-olombelona mpanota antsika.
Tsy zavatra natao mahagaga izany mety hisian’ny fahadisoam-panantenana izany, mbola eto amin’izao tontolo izao rahateo isika. Jesoa aza moa efa nanafatra mihitsy hoe : « Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana » Jaona 16. 33.
2. Mamonjy mandrakariva anefa Andriamanitra (and 18,19)
DIEM « dia mbola ho faly sy ho ravo ihany aho satria ny Tompo Andriamanitra no Mpamonjy ahy, ny Tompo Andriamanitra no heriko »
Mba tsy hahatonga ny mpaminany ho tonga amin’ny famoizam-po dia miezaka mifaly noho ny amin’Andriamanitra izy. Fantany fa eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenana, eo anatrehan’izay mety tsy fahombiazana samihafa dia afaka mamonjy azy Andriamanitra. Fantany fa manome hery ho enti-miatrika izany Andriamanitra, manome hery ho enti-mandresy ireo toe-javatra toa manahirana Andriamanitra. Amin’ny toe-javatra manahirana toa izao mihitsy no miasa Andriamanitra maneho ny maha-Mpamonjy Azy. Asehon’ny Tompo fa eo amin’izay maha-voafetra ny olona, eo amin’izay tsy hahitany vahaolana intsony no miditra Andriamanitra ka mamonjy.
Mandraka androany dia mbola toa izany ny Tompo, teo amin’izay tsy nahitan’ny olombelona vahaolana intsony no tonga Jesoa namonjy azy tamin’ny gejan’ny fahotana sy ny herin’i satana. Tena « Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana » tokoa ny Tompo (Salamo 46. 1).