Mofon’aina 06 Janoary 2022
1 Jaona 1. 5-10
NY FIFANDRAISAN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY OLONY
Ary izao ny teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. 6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. 7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. 9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. 10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.
——————
Mitantara amintsika ny fifandraisan’Andriamanitra amintsika olombelona ny Soratra Masina. Eo amin’izay hitantaran’ny mpanoratra an’Andriamanitra sy ny olombelona anefa no niezahany naneho ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona. Handeha hojerentsika izay maha-Andriamanitra an’Andriamanitra sy ny maha-olombelona ny olombelona.
1. Mpanota ny olombelona (and 
« Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika »
Amin’ny maha-olombelona antsika hoy Jaona dia mpanota isika. Izay milaza ny tenany ho tsy manan’ota dia mpamita-tena. Tsy misy olombelona, na iza izy na iza ka tsy manana ota. Nateraka tamin’ny ota rahateo isika olombelona. Ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra sy ny didiny, ny teniny no fototry ny ota. Noho io maha-olombelona mpanota antsika io dia tafasaraka amin’Andriamanitra isika olombelona. Zava-boahary tafasaraka amin’Andriamanitra Mpahary azy ny olombelona.
Zava-mahamenatra ny fahotana, koa niezaka niala tamin’izany ny olombelona mba tsy ho tapaka mandrakariva ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Ny ezaka rehetra nataon’ny olona anefa dia tsy nahafaka azy tamin’ny gejan’ny fahotana. Mpanota isika olombelona, ary tena tsy manan-kery, tsy manam-pahefana hanafaka antsika amin’ny fahotana. Ny tantaran’ny famonjena dia mampahafantatra antsika fa asan’Andriamanitra ny mamonjy antsika amin’ny gejan’ny fahotana rehetra. Mila an’Andriamanitra mandrakariva isika raha te hiala amin’ny fahotana.
2. Mazava sy mpamela heloka ny Tompo (and 5,9)
« Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy… Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra »
Fahiziana roa no ambaran’i Jaona eto momba an’Andriamanitra. Fahiziana roa izay mifamatotra sy mifameno maneho tokoa ny maha-izy azy an’Andriamanitra.
a- Andriamanitra dia mazava :
- Ny hazavana dia miantoka ny fisiam-piainana eto amin’izao tontolo izao. rehefa tonga ny mazava dia velona avokoa ny zava-boahary rehetra. Ny hoe mazava Andriamanitra arak’izany dia maneho an’Andriamanitra mamelona ny zava-boahariny rehetra. Noho ny amin’i Jesoa : « Masoandronay », izay ambaran’i G RAVELO, mpanoratra ny hira FFPM 547, dia tsy hoe velona eto an-tany ihany izay mino Azy, fa manome fiainana mandrakizay mihitsy Jesoa, izay fahazavan’izao tontolo izao.
- Ny hazavana koa dia ho enti-milaza ny herin’Andriamanitra mandrava sy mandresy ny haizina eto amin’izao tontolo izao. Ny fahazavan’Andriamanitra no hery mandresy an’i satana izay loharanon’ny haizina rehetra eto amin’izao tontolo izao. Rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao Jesoa izay fahazavana dia noresena avokoa ny haizina rehetra. Hatramin’ny haizin’ny fo aza dia noresen’i Jesoa Masoandrontsika.
b- Andriamanitra mpamela heloka : asan’Andriamanitra madiodio ny famelan-keloka. Tsy misy mahafaka heloka ny tenany irery izany. Ilaintsika olombelona ny asan’Andriamanitra hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ka hamelantsika Azy hanadio sy hanafaka antsika amin’ny fahotana sy ny herin’ny haizina no hampilamina sy hampiadana antsika eto amin’izao tontolo izao. Enga anie Andriamanitra Ilay Mazava hiasa mandrakariva ka sady hamela heloka antsika no hanazava antsika koa.