Mofon’aina 09 Jolay 2021
Lioka 5. 27-32
NY ANTSON’I JESOA TAMIN’I MATIO
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha *Jesoa ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[*Izahao Matio 9:9][*Jesosy] 28. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. 29. Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i *Jesoa; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy. [*Jesosy] 30. Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i *Jesoa ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota? [*Jesosy] 31. Ary *Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; [*Jesosy] 32. tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka
Matio dia mpamory hetra teo amin’ny fiarahamonina. Teo am-pamorian-ketra izy no nantsoin’i Jesoa. Rehefa nantsoin’i Jesoa izy dia niala tamin’ny famorian-ketra ka nanaraka an’i Jesoa. Ny fiantsoana an’i Matio arak’izany dia namindra ilay mpamory hetra mpanambaka vahoaka ho tonga Apostoly mpitory filazantsara. Ny fiantsoana an’i Matio arak’izany dia
1. Antso ho amin’ny fahafahana (and 27)
« Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesoa ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy »
Ny hoe mamory hetra teo amin’ny Jiosy dia ho enti-milaza olona iray mahazo alalana hanambaka sy hametsifetsy ary hangalatra. Asa feno halatra sy kolikoly ny asa famorian-ketra. Asa manabotry ny mpiray tanindrazana. Asa tena isehoan’ny faharatsiana noho ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola. Lehilahy mpanota no nanasokajian’ny mpiarabelona taminy an’i Matio. Teo am-perinasa Matio no nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy. Noho ny izany ny antson’i Jesoa taminy dia tena antson’ny fanafahana. Antso manafaka azy amin’izao asa ratsy izao. Antso manafaka azy amin’izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Antso tsy mamela azy ho tafalatsaka lalina ao amin’ny gejan’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola.
Jesoa arak’izany no zava-tsarobidy indrindra nomen’Andriamanitra antsika, miantso antsika ao amin’izay mamatotra sy mangeja antsika ka mahatonga antsika ho ratsy eo imason’ny mpiarabelona amintsika.
2. antso maneho ny hery sy ny fahefan’i Jesoa (and 28)
« Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy »
Rehefa nantsoina i Levy dia ambara eto fa foiny ny famorian-ketra ka nitsangana nanaraka an’i Jesoa izy. Asehon’i Lioka fa misy hery sy fahefana ny antson’i Jesoa ka izay iantefany dia voabatany hiala eo amin’izay misy azy hanaraka an’i Jesoa. Mampihomana sahady izany ho antsika izay mamaky ny tantara fa na iza na iza antsoin’i Jesoa dia vitany ny manaisotra azy amin’izay misy azy hanaraka an’i Jesoa. Andriamanitra TSITOHA rahateo Jesoa ka manana hery misintona izay antsoiny hanaraka Azy.
3. Antso mahatonga fiombonana (and 29)
« Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i Jesoa; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy »
Rehefa voaantso i Matio dia zavatra voalohany nataony ny nanao fanasana ho an’i Jesoa. Fanasana izay nandraisany an’i Jesoa tao an-tokantranony ho fiombonana Taminy. Fanasana izay maneho fa nandray an’i Jesoa izy. Fa ny mahafinaritra dia ny mahita fa tsy Matio irery no tao fa mba tao koa ireo namany. Tonga sehatra nampihaonan’i Matio an’i Jesoa sy ny mpamory hetra namany ny tokantranony. Tsy tiany ho izy irery mantsy no hahazo vokatsoa amin’ny fandraisana sy ny fiombonana amin’i Jesoa. Tiany mba ho toa azy koa ireo namany. Hiombona amin’i Jesoa ka ho tonga amin’ny fahafahana toa azy.
Aoka ho sehatra hampihaonana ny mpanota amin’i Jesoa ny tokantrano arak’izao. Aoka ho sehatra hiombonana amin’i Jesoa ny tokantrano.