Mofon’aina 08 Mey 2021
Isaia 11. 1-10
FAMINANIANA NY AMIN’NY ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’I JESOA
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ny fakany; 2 Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny; 4 Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony 6 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; Ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy. 7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; 8 Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana. 9 Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. 10 Ary amin’izany andro izany ny solofon’i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Ny faminaniana amin’ny lafiny iray izay hahafantaran’ny besinimaro azy dia filazana mialoha ny zavatra ho avy, tena ho avy marina. Raha ho tonga eto amin’izao tontolo izao Jesoa, araka izao faminanian’i Isaia izao dia hitoeran’ny Fanahy Masina Izy. Isika izay miaina ankehitriny dia afaka manamarina ny fahamarinan’ny faminanian’i Isaia fa tena marina tokoa ny fitoeran’ny Fanahy Masina tao amin’i Jesoa. Feno ny Fanahy rahateo Izy. Izany Fanahin’Andriamanitra izany dia nahatonga an’i Jesoa
1. Nanam-pahendrena (and 2)
« Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena »
Ny Fanahin’Andriamanitra tao amin’i Jesoa no nanome fahendrena an’i Jesoa. Fahendrena izay tena nampiavaka an’i Jesoa tamin’ny mpiarabelona Taminy. Fahendrena izay nahatonga ny mpiarabelona Taminy nahatsapa fa tsy nisy toa azy tamin’ireo izay niara-belona Taminy, na ireo taranaka teo alohany. Ny fahendren’i Jesoa dia tsy fahendrena vokatry ny zava-noratoviny sy nianarany teto amin’izao tontolo izao, tena fahendrena avy any ambony, avy amin’Andriamanitra. Fahendren’Andriamanitra.
2. Nanan-tsaina (and 2)
« Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny … fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina… Ny Fanahin’ny fahalalana »
Jesoa dia anisan’ny olona nanan-tsaina indrindra teto amin’izao tontolo izao. Vokatry ny asan’ny Fanahy Masina tao Aminy izany arak’izao faminanian’i Isaia izao. Tena kinga saina tokoa Jesoa, ka izany saina nananany izany no nahavitany namaha ireo olana samihafa teo amin’ny mpiarabelona Taminy. Niezaka namandrika an’i Jesoa mandrakariva ireo Jiosy mba hahazoana manameloka Azy. Hain’i Jesoa mandrakariva ny niala izany famandriana Azy izany noho Izy nanan-tsaina tsy manam-paharoa.
Raha ho antsika Malagasy manokana dia Jesoa no azontsika antsoina hoe : « olom-banona », Izy irery mantsy no hendry sady manan-tsaina. Ny fahendreny sy ny fahazavan-tsaina no nahatonga an’i Jesoa ho tena olombelona niavaka teto amin’izao tontolo izao.
3. Natahotra an’Andriamanitra (and 2)
« Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny … fahatahorana an’i Jehovah »
Jesoa no olombelona hita sy tsapa teo amin’ny tantara ho natahotra an’Andriamanitra indrindra. Noho io fahatahorany an’Andriamanitra io no nahatonga an’i Jesoa nahatanteraka hatramin’ny farany, araka ny tokony ho izy ny asa fanompoana nanirahan’Andriamanitra Azy teto amin’izao tontolo izao. Rehefa teto amin’izao tontolo izao koa Jesoa dia nanao ny asany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Jesoa nanao ny asany, nitondra ny tenany tamin’ny fahamarinana. Sambatra isika Kristianina ankehitriny fa io Fanahy Masina tao amin’i Jesoa nampianatra Azy hatahotra an’Andriamanitra io no Fanahy Masina ihany koa ao amintsika. Ny Kristianina arak’izany no olona tokony hampianatra ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao ny fahatahorana an’Andriamanitra. Asan’ny Fanahy Masina ao aminy rahateo izany.
Source: Barinarivo Rajosoa