Mofon’aina 06 Novambra 2021
Lioka 12. 22-31
KRISTIANINA MATOKY AN’ANDRIAMANITRA
Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, izay hotafinareo. 23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana. 24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va hianareo? 25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza! 26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana hianareo no manahy ny amin’ny sisa! 27 Hevero ny fanirin’ny vonin-kazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. 28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana? 29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo hianareo, ary aza miahanahana. 30 Fa ny jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. 31 Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
——————
Nisy mpiray tampo tsy nifanara-tsaina ka nangataka tamin’i Jesoa handamina azy ireo noho ny lova. Nampianatra izay nihaino azy Jesoa eto mba hihevitra ny lanitra fa tsy ho variana amin’ny zavatry ny tany. Amin’i Jesoa dia zava-poana ny zavatry ny tany, tsy afaka miantoka ny hidirana any an-danitra akory. Ary izay variana amin’ny zavatry ny tany dia mety ho very ny fanahiny. Eto amin’izao mofonaina izao dia nampianarin’i Jesoa izay nihaino Azy fa Andriamanitra mamelona ny Tompo ka
1. Aoka hatoky Azy ny mino (and 22,23)
« Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, izay hotafinareo. 23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana »
Tsy avelan’i Jesoa hanahy ny mino. Fa na dia be fanahiana aza ny mino dia asehon’i Jesoa fa tsy mahay manao ny zavatra bitika indrindra aza izy. Tsy vitany hoy Jesoa ny manampy akory ny andro iainany. Zava-poana ny fanahiana satria na dia tsy manao na inona na inona aza ny olona dia velomin’Andriamanitra izy. Ary mihoatra noho izay ilainy sy hangatahiny aza no omen’Andriamanitra azy. vitan’Andriamanitra ny mamelona ireo zava-boahary faran’izay bitika sy heverina ho tsy manana lanja akory. Vitan’Andriamanitra arak’izany koa ny mamelana ireo olombelona, zanak’Andriamanitra. Mihoatra lavitra noho ny fiahian’Andriamanitra ireny zava-boahary ireny no ikarakaran’Andriamanitra ny vahoakany.
2. Aoka hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra (and 31)
« Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany »
Ny tena zava-dehibe handrasan’Andriamanitra amin’ny mino dia ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho variana amin’ny zavatry ny tany izay tsy afaka miantoka ny fiainana mandrakizay akory. Be dia be tokoa ny zavatra mahavariana eto amin’izao tontolo izao izay mety hahatavela ihany koa eto amin’izao tontolo izao. Hoy Paoly tamin’ireo Kristianina tao Kolosia hoe : « saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany » Kol 3. 2. Tsy haharitra tokoa mantsy ny ety an-tany, mandalo ihany. Ary isika Kristianina aza moa dia antsoin’ny Soratra Masina hoe : « vahiny sy Mpivahiny » eto amin’izao tontolo izao. Tsy toerana natao hitoerana ela ity. Ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra no tena votoatin’ny fampianaran’i Kristy. Ny ety an-tany dia manana an’Andriamanitra hanome izany ho antsika isika, fa ny rahatrizay any an-danitra no aoka tena hikelezantsika aina sy hanolorantsika tena.