Mofonaina 06 Mey 2021 Ny teo aloha Mofonaina 07 Mey 2021 Ny tao aoriana Mofonaina 05 Mey 2021

Mofonaina 06 Mey 2021

Ezekiela 37. 1-14

NY FIVERENANA AVY AMIN’NY FAHABABOANA TEO AMIN’NY JIOSY

Tao amiko ny tànan’i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin’ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak’olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Jehovah! 5 Izao no lazain’i Jehovah Tompo amin’ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. Dia injany! Nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania. Ry zanak’olona, ka ataovy amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Manatona avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. 11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. 12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Isiraely; 13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo. 14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
Rehefa tany Babylona ny Jiosy dia nieritreritra ny tenany ho toy ny taolana maty. Taolana maty izay mbola nisaratsaraka ihany koa. Fomba fanaon’ny Babylonianina mantsy raha nambabo ny firenena iray ny mamotika sy mandrava izany firenena izany tamin’ny fampisarahana ny mpianakavy ho amin’ny toerana samihafa. Eto amin’izao mofonaina izao dia nasaina naminany Ezekiela, ary izany faminaniana izany dia mikendry ny hamerenana indray amin’ny laoniny ny fiainan’ny Zanak’Isiraely. Ireto no dingan’ny fiverenana amin’ny laoniny

1. Hosokafan’Andriamanitra ny fasana (and 12)

« Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Isiraely »
Satria nieritreritra ny tenany ho toy ny maty ny Jiosy, dia noheveriny ho toy ny fasana mihitsy ny toerana izay nahababo azy. Eto anefa dia vonona hamerina amin’ny laoniny ny fiainana Andriamanitra ka hanokatra ny fasana. Izany hoe hanokatra ny toerana rehetra nahababo ny Jiosy ka hamela azy hody any amin’ny taniny. Mazava be fa asan’Andriamanitra no manokatra ny fasana, mandresy ny Babylonianina no tian-kambara ka hamela ny babo hody any aminy. Miatomboka amin’ny fandresena ny mpababo ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny Jiosy.

2. Nangonina sy nampiombonin’Andriamanitra ho toy ny ondry andiany iray ny vahoakany (and 7,8)

« Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. Dia injany! Nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy »
Ireo babo tany amin’ny toerana samihafa, toy ny taolana niparitaka tamin’ny toerana samihafa dia nangonin’Andriamanitra tamin’ny toerana iray. Naverina indray ny fiombonana sy ny firaisam-pirenena izay ravan’ny fahababoana. Asan’Andriamanitra ny mamerina izany indray, asan’Andriamanitra ny mampiombona indray. Zavatra sarotra amin’ny olona izany fa hain’Andriamanitra tanterahina. Naverin’Andriamanitra ho toy ny ondry andiany iray indray ny Jiosy. Rehefa vitan’Andriamanitra ny nanangona azy dia nampiomboniny feno tokoa ny vahoakany. Aza adinoina fa ny hozatra maniry sy ny nofo dia ho fampiombonana feno ny taolana. Ilain’ny taolana fampiray azy, hampiombona azy marina ny fisian’ny hozatra sy nofo. Mbola asan’Andriamanitra no mampiombona tanteraka ny vahoakany.

3. Novelomin’Andriamanitra ny vahoakany (and 10)

« Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy maro be dia maro be tokoa »
Rehefa tafahombona ny vahoaka dia novelomin’Andriamanitra indray. Tamin’ny alalan’ny fanomezana azy ny Fanahy Masina no nahatanteraka izany. Ny Fanahin’Andriamanitra izay ambara eto fa fofonaina dia tena mamelona tokoa. Midika izany fa izay mahazo ny Fanahin’Andriamanitra no velomin’Andriamanitra indray. Maty noho ny fahotany ny Jiosy ka babo, fa novelomin’Andriamanitra indray tamin’ny Fanahiny.
Sambatra isika, fa noho ny asan’ny Fanahy Masina dia mahazo manantena fahavelomana indray ao amin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe miverina amin’ny laoniny ny fiainana fa tena velona mihitsy noho ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.