Mofonaina 05 Mey 2021
Matio 10. 16-20
NY FANAHY MASINA SY NY MPITORY FILAZANTSARA
Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. 17 Ary mitandrema hianareo noho ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ny synagogany hianareo; 18 ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa. 19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. 20 Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
Rehefa nanomana ny mpianany amin’ny fitoriana ny filazantsara Jesoa dia nanomana azy ireo amin’ny toe-javatra sarotra sy mafy. Tsy mora ny fitoriana ny filazantsara. Be fahavalo rahateo ny mpitory filazantsara. Ny fahafantarana izany mialoha mantsy dia efa manomana an-tsaina sy am-po mba tsy hahakivy ny mpitory ny filazantsara. Ireto no fahamarinana tsy azo adinoina rehefa mamaky izao mofonaina izao
1. Eo ampovoan’ny ambodia ny mpitory filazantsara (and 16)
« Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala »
Voadidina fahavalo ny mpitory Filazantsara, fahavalo mahery noho izy mpitory filazantsara. Ambodia sy ondry moa ny resaka eo. Ny ambodia dia fahavalo tsy resin’ny ondry mandrakariva. Ary fahavalo mandringana azy mihitsy aza. Oharin’i Jesoa amin’izany ireo Jiosy manam-pahefana izay mijoro ho fahavalon’ny fivavahana Kristianina sy ny mpitory filazantsara. Eo anatrehan’izany anefa dia notoroan’i Jesoa hevitra ny mpitory filazantsara ho toy ny menarana sy ny voromailala. Ambaran’i Jesoa fa manam-pahendrena ny menarana noho izy mailo mandrakariva ka tsy mitsofoka na miditra amin’ny zavatra tsy azony antoka tsara. Tena fahendrena ny fahamailoana amin’ny zavatra rehetra. Indrindra eo anatrehan’ny fahavalo mahery noho ny tena. Fa tena fahendrena koa anefa ny fananana ny toetry ny voromailala, biby mora, mora alahatra, mora alamina. Raha tiana handeha ny fitoriana ny filazantsara eo anatrehan’ny olona ateraky ny fahasiahan’ny fahavalony dia mila fahendrena mandrakariva izany.
Fotoana heverina fa tena ilàna fahendrena, indrindra ho an’ny fiangonana Kristianina ny fotoana ankehitriny eo anatrehan’ny fahavalo izay mikendry ny hamono ny fiagonana.
2. Nomen’i Jesoa ho an’ny mpitory filazantsara ny Fanahy Masina (and 20)
« Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo »
Tsy vitan’ny hoe eo ampovoan’ny ambodia fotsiny ny mpitory filazantsara fa tena tsarainy mihitsy, ampiharany ny fitsarana tsy rariny toa izay nataony tamin’i Jesoa. Eo anatrehan’izany anefa dia mety ho very hevitra ny mpitory filazantsara, mety ho kivy ny mpitory filazantsara. Soa fa omen’Andriamanitra ny Fanahy Masina izy ireo ho enti-miatrika ny zava-tsarotra misy ankehitriny. Ary raha ny marina dia ny Fanahy Masina no hamaly ireo fanontaniana feno fandrika, ny Fanahy Masina no ifanehitra amin’ireto ambodia. Andriamanitra miatrika ny olombelona ny Fanahy Masina amin’izany. Iza moa no afaka hiteny ho manam-pahendrena, manam-pahakingana mihoatra an’Andriamanitra. Midika izany fa hivoaka ho mpandresy mandrakariva ny mpitory filazantsara rehefa tena manaiky hiasan’ny Fanahy Masina izy amin’ny zava-tsarotra diaviny.
Heverina fa fahendrena ny mihaino ny Fanahy Masina ankehitriny, aoka ho ny Fanahy Masina no hanoro hevitra ny fiagonana Kristianina raha miatrika izao tranga mahazo ny fiangonana izao. Aoka tsy ny rivotry ny pôlitika izay mitady hahazo vahana ao amin’ny fiangonana, aoka tsy ny hafanam-po tsy voahevitra eo amin’ny mpitory. Aoka ho tena vokatry ny asan’ny Fanahy Masina no hihetsehan’ny Kristianina sy ny mpitondra ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra.
Source: Barinarivo Rajosoa