Mofon’aina 05 Jolay 2021
Hebreo 11. 8-10
NY FINOAN’I ABRAHAMA
Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9. Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin’isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; 10. fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
Ny Hebreo 11 no iresahan’ny mpanoratra olon’ny finoana maromaro ao amin’ny Testamenta Taloha. Anisan’izay resahan’ny mpanoratra i Abrahama. Izay araka ny Soratra Masina dia antsoina hoe rain’ny mino. Noho ny faneken’i Abrahama ny antson’Andriamanitra dia tonga rain’ny mino izy. Ary i Jesoa Kristy, izay tena mpino faka tahaka dia ambaran’ny Testamenta Vaovao fa taranany. Ny finoan’i Abrahama dia
1. Nampiavaka azy (and 8,9)
« Finoana no naneken’i Abrahama… finoana no nivahiniany »
Noho ny finoana tao amin’i Abrahama dia tonga olona miavaka tamin’ny mpiarabelona taminy izy. Ny kianteny hoe « no » mantsy ho antsika Malag sy dia ho enti-mampisongadina. Eto dia misongadina Abrahama noho izay finoany izay. Misongadina sady miavaka satria asehon’ny mpanoratra ho lehilahy manaiky na dia zavatra tsy mora aza no nangatahin’Andriamanitra taminy. Fantatsika tsara araka ny fanazavana ny mofonaina omaly fa tsy zavatra mora ho an’i Abrahama izay efa 75 taona ny nanaiky hifindra monina kanefa noho ny finoany, ny fahatokiany an’Andriamanitra, fanekeny an’Andriamanitra, rehefa nangatahin’Andriamanitra taminy izany dia nekeny, notanterahiny. Arak’izany, noho ny finoany, dia tonga olo-miavaka Abrahama, ny finoana dia mampisongadina ny maha-olon’ny fanekena tsy misy fepetra azy.
Jesoa koa dia toa azy, nanaiky izay fangatahan’Andriamanitra na dia nihatra taman’aina aza ny famonjena. Tonga olona miavaka teo amin’ny tantaran’ny famonjena noho izany fanekena izany. Afaka nanatanteraka ny asa famonjena noho ny finoana, fanekena sy fankatoavana an’Andriamanitra.
2. Namelona ny fanantenana tao aminy
Iray tamin’izay nirian’i Abrahama ny hanan-taranaka. Rehefa nanaiky ny antson’ny Tompo izy, noho ny Tompo nampanantena azy taranaka dia nandeha niala tamin’ny taniny ho amin’ny toerana izay tsy mbola hainy akory. Noho ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra taminy dia tonga tamin’ny fanekena an’Andriamanitra tsy misy fepetra izy. Velona tao aminy indray ny fanantenana hahazo taranaka avy tamin’Andriamanitra.
Mamelona izay fanantenana ao anaty izay tsy hita maso ny finoana. Ny finoana dia fiandrandrana fa hain’Andriamanitra tanterahina izay zavatra irian’ny tena. Minoa toa an’i Abrahama fa raha mino isika dia ho tanterahin’Andriamanitra amintsika tokoa izay fikasana tsara rehetra ao amintsika. Ny tantaran’i Abrahama dia maneho amintsika fa azo atao tsara ny mino sy manantena.