Mofon’aina 04 Jolay 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 05 Jolay 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 03 Jolay 2021

Mofon’aina 04 Jolay 2021

Genesisy 12. 1-9

NY ANTSON’ANDRIAMANITRA

Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; 2. dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; 3. ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. 4. Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. 5. Ary Abrama nitondra an’i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ny tany Kanana izy. 6. Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. 7. Ary Jehovah niseho tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah Izay niseho taminy. 8. Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’i Jehovah izy ka niantso ny anaran’i Jehovah. 9. Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ny tany atsimo.
Ny Gen 12 – 25 dia vondron-tantaran’i Abrahama. Izy izay ambara fa Patriarka, rain’ny finoana. Olon’ny fankatoavana tsy misy fepetra an’Andriamanitra izy. Noho izy nanam-pinoana lehibe dia ambaran’ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao fa taranany Jesoa. Jesoa izay nanam-pinoana lehibe toa azy koa. Avy amin’izao mofonaina izao no hangalantsika ny maha-sarobidy ny antson’Andriamanitra. Ny antson’Andriamanitra mantsy dia

1. Mampisaraka amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (and 1)

« Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao »
Rehefa nantsoin’Andriamanitra Abrama dia nasainy niala teo amin’ireo ankohonany, ray aman-dreny, mpiray tampo aminy. Izy ireo mantsy dia tsy mba nivavaka tamin’Andriamanitra, nanompo sampy. Tian’Andriamanitra hanompo Azy Abrama dia nasainy niala teo, nasainy nisaraka tamin’izy ireo. Antso mampisaraka mandrakariva amin’izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny antson’Andriamanitra. Ny tanjon’ny antso arak’izany dia ny hahatonga antsika tsy ho fatoran’izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Antsom-panafahana amin’ny gejan’ny faharatsiana mandrakariva izany. Koa na iza na iza mahatsiaro ho nantsoin’Andriamanitra dia mila mivonona hisaraka amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy.

2. Mety tsy mifanaraka amin’ny lojikan’olombelona (and 1)

« Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao »
Efa tena lehibe Abrama raha niantso azy Andriamanitra. Ny lojikan’olombelona rehefa mihalehibe dia mitady toerana hipetrahana amin’izay mba hisotroana ronona. Tsy mihetsiketsika intsony, efa eo amin’izay maha-lehibe no itoerana iandrasana ny fahafatesana. Tsy izany anefa no zava-misy eto rehefa voaantso Abrama. Nasain’Andriamanitra nihetsika indray izy, handeha amin’ny toerana izay tsy fantany akory. Ny antson’Andriamanitra arak’izany dia mety mifanohitra amin’izay mety lojikan’olombelona. Mety tsy arak’izay mety nandaminana sy nikajiana ny fiainana rahateo. Na iza na iza mahatsiaro nantsoin’Andriamanitra dia mila miomana amin’izay mety fiovana lehibe ateraky ny antson’Andriamanitra aminy.

3. Mifamatotra amin’ny fitahiana mandrakariva (and 2,3)

« Dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; 3. Ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany »
Mazava tsara fa Abrama no voaantso eto. Fa ny misitraka ny fitahiana noho ny fiantsona azy koa dia maro : Abrama – izay manisy soa azy – ny firenena rehetra ambon’ny tany. Noho ny amin’ny antson’Andriamanitra miantefa amin’ny olona iray dia maro ireo misitraka fitahiana. Tena sarobidy arak’izany ny antson’Andriamanitra, antso mikendry fitahiana ny antson’Andriamanitra. Fitahiana ho an’izay rehetra manodidina ny voaantson’Andriamanitra. Na iza na iza antsoin’Andriamanitra dia mahazo matoky izy fa hahazo fitahiana avokoa izay rehetra manodidina azy.

4. Miantefa amin’izay fantatr’Andriamanitra fa hankato Azy (and 4,5)

« Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. 5. Ary Abrama nitondra an’i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ny tany Kanana izy »
Rehefa naharay ny antson’Andriamanitra Abrama dia nandeha nankato an’Andriamanitra izy. Tsy izy ihany anefa fa notaominy hankato ny antson’Andriamanitra niaraka taminy koa ny ankohonany. Antso miantefa amin’ny olona iray kanefa ankohonana iray manontolo no mankato azy. Ny tena olom-boaantso arak’izany dia mankato izay iantsoan’Andriamanitra azy, ary mahataona ny manodidina azy hankato an’Andriamanitra koa. Ny tena olom-boaantso arak’izany dia mitaona sy mitarika ny ankohonany hamaly ny antson’Andriamanitra. Hita mihitsy Abrama eto fa mahafehy tsara ny ankohonany, ary mahatarika tsara ny ankohonany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

5. Mandeha miandalana ny fanatanterahana azy (and 6-9)

« Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ny tany atsimo »
Tsy avy hatrany dia tonga tany amin’ny tany izay nasehon’Andriamanitra azy Abrama. Nitety tany maro izy aloha, sady niezaka nanangana alitara hifandraisany amin’Andriamanitra. Asehon’ny tantara fa mizotra miandalana ho any amin’izay niantsoan’Andriamanitra azy tokoa izy. Midika izany fa misy fotoana, mandeha sy mizotra miandalana ny famaliana ny antson’ny Tompo. Mizotra miandalana ny fanatanterahana ny antson’ny Tompo izany. Rehefa miantefa amintsika ny antson’ny Tompo, amin’izay mety ho fanompoana samihafa, mety ho miandalana ny fanatanterahana izany ka tsy tokony hirotorotoana sy hiazakazahana. Aleo mandeha miadana sy miandalana dia tonga amin’izay niantsoan’Andriamanitra, toa izay miazakazaka be kanefa tsy tonga akory fa raraka an-dalana.