Mofon’aina 05 Desambra 2020
Asan’ny Apostoly 16. 25-34
IZAY MINO AN’I JESOA
Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ny trano-maizina; dia nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra. 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry trano-maizina ka nahita ny varavaran’ny trano-maizina nivoha, dia nanatsoka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. 28 Fa Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’i Paoly sy Silasy. 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao. 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ny Tompo taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin’izany ora amin’ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra.
Tantaran’i Paoly sy Silasy voafonja ity. Rehefa nofonjana izy mirahalahy dia nidera an’Andriamanitra ka nafahan’Andriamanitra. Tsy nandositra anefa izy ireo fa nijanona tao amin’ny fonja ihany na dia efa afaka aza ny gadra teny aminy. Izany no nahatonga azy ireo navita namonjy ilay mpiambina saika hamono tena. Ary tsy ilay mpiambina ihany no voavonjy fa ny ankohonany rehetra rehefa samy avy nataon’i Paoly sy Silasy Batisa. Sarobidy ny finoana an’i Jesoa satria
1. Manafaka (and 25,26)
« Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ny trano-maizina; dia nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra »
Tsy nanakana an’i Paoly sy Silasy hidera an’Andriamanitra ny famonjana azy. Rehefa nanao izany aza izy ireo dia nanaraka azy tamin’ny fiderana an’Andriamanitra ireo voafonja niaraka tamin’izy ireo. Teo anatrehan’izany fiderana an’Andriamanitra izany dia nafahan’Andriamanitra tamin’izay nanagadrana azy izy ireo. Matoa Paoly sy Silasy nidera an’Andriamanitra dia satria efa nino izy, ary izay finoany izay no nanafaka azy tamin’izao famatorana azy izao. Minoa an’i Jesoa ka derao Andriamanitra fa tena manafaka antsika amin’izay mamatotra antsika sy mangeja antsika tokoa izany.
2. Mamonjy (and 31)
« Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao »
Tsy nitsoaka ny fonja ireto mpanompon’Andriamanitra na dia nivoha aza ny fonja. Na dia afaka nandositra aza izy ireo. Asehon’ny tantara fa olo-marina izy ireo. Rehefa nahita ny fahamarinan’i Paoly sy Silasy ity lehiben’ny fonja izay saika hamono tena dia nanontany hoe ahoana no ataony mba hahavoavonjy azy. Nasain’i Paoly sy Silasy nino an’i Jesoa izy. Ny finoana an’i Jesoa mantsy dia mahavoavonjy izay mino, fa mahavoavonjy ihany koa ny ankohonany. Azo heverina mantsy fa rehefa tonga amin’ny finoana ny olona dia mitaona ny hafa hino koa. Minoa an’i Jesoa, ary taomy ho amin’ny finoana an’i Jesoa koa ny ankohonana fa hahatonga famonjena ho an’ny tena sy ny ankohonana manontolo izany.
3. Manome fifaliana (and 34)
« Dia nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra »
Rehefa nino ity lehilahy dia noentiny tao an-tranony Paoly sy Silasy. Nanolo-tena hatao batisa izy sy ny ankohonany. Koa rehefa vita izany dia niroso tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny fiaraha-mifaly izy ireo. Ambaran’i Lioka mazava tsara eto amin’izao mofonaina izao fa mitondra fifaliana, mitondra ho amin’ny fifaliana ny finoana an’i Jesoa. Fifaliana ho an’i Paoly sy Silasy satria afaka tamin’ny geja ka afaka nitory filazantsara, fa fifaliana ho an’ny ankohonan’ilay lehiben’ny fonja noho izy tonga Kristianina niaraka tamin’ny ankohonany.
Ny tokantrano mino an’i Jesoa arak’izany dia afaka amin’izay mangeja azy rehetra, voavonjy ary eto amin’izao tontolo izao dia manam-pifaliana.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina