Mofonaina 03 Janoary 2021
Jaona 1. 43-51
JESOA : ZAVA-TSOA NOMEN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA
Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy. 44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’i Andrea sy Petera. 45 Filipo kosa nahita an’i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta, 46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha. 47 Jesosy nahita an’i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. 48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly azy Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy hianao. 49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ny Isiraely. 50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako eto ambanin’ny avivy hianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany hiana. 51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona.
Ny mpa noratra ny filazantsara dia resy lahatra fa Jesoa no fanehoana feno an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Raha nanoratra momba an’i Jesoa izy ireo dia nanamafy fotsiny izay efa nolazain’i Jesoa rahateo. Zavatra telo no hanehoan’i Jesoa ny maha-Andriamanitra Azy eto amin’izao mofonaina izao
1. Jesoa no zava-tsoa avy any Nazareta (and 46)
« Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha »
2. Jesoa Andriamanitra mahalala izay heverina ho miafina indrindra (and 47,48)
« Jesosy nahita an’i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. 48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly azy Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy hianao »
3. Jesoa no mampifandray ny lanitra sy ny tany (and 51)
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona »