Mofon’aina 03 Aogositra 2021
Deoteronomia 15 . 7-11
KRISTIANINA MIJERY SY MANAMPY NY RAHALAHINY
Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ny rahalahinao malahelo; 8. fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy. 9. Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany. 10. Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao. 11. Fa ny tany tsy ilaozan’olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao.
Ny bokin’ny Deoteronomia dia boky famerenan-teny, fanazavana indray ny lalàna. Araka ny mpandinika dia olona mahay haifiarahamonina no nanoratra azy noho izy matanjaka amin’ny toromarika ara-piarahamonina. Hazavainy eto amin’izao mofonaina izao ny fomba hitiavana ny rahalahy. Ny tena fitiavana an’Andriamanitra tokoa mantsy dia aseho amin’ny fitiavana ny rahalahy, mpiaramonina. Ny kristianina dia
1. Mandray ny mpiaramonina aminy ho rahalahiny (and 7)
«Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao»
Rahalahy no iantsoan’ny mpanoratra ny mpiaramonina eto. Olona mifamatotra aman’aina amin’ny tena izany. Olona akaiky ny fo, olona izay hananana adidy. Olona izay ahatsapana marary raha misy mahazo azy. Eto dia lazaina fa malahelo izy, izany hoe mahantra, sahirana ka mila fanampiana na famonjena.
Jesoa raha tonga teto amin’izao tontolo izao dia tonga ho sakaizan’ny olona rehetra, ho olona azo atonina amin’ny fotoana rehetra raha misy manjo. Izay mino an’i Jesoa arak’izany dia tena sakaiza sy rahalahin’ny mpiaramonina aminy.
2. Manampy sy mamonjy ny mpiaramonina aminy (and 11)
«Fa ny tany tsy ilaozan’olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao»
Ny fahalalahan-tanana dia tena endriky ny fitiavana namana ka manampy sy mamonjy azy. Ilay rahalahy koa tsy any lavitra, akaiky ny tena ka tonga adidy ny mamonjy sy manampy azy. Tsy tia amin’ny vava fa tena amin’ny asa koa, ka amin’izay azo atao dia hanampy sy hamonjy tokoa. Tsy ho mpitazana fotsiny ny halahelon’ny rahalahy fa tena ho mpanafaka azy amin’izay manahirana azy.
Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia tena nalala-tanana ka nanampy ny olona rehetra. Adidin’izay mino Azy no manohy izany asa tsara nataony izany satria tsy ilaozan’olo-malahelo ny tany.