Mofon’aina 02 Aogositra 2021
2 Timoty 2. 14-21
TORO-MARIKA HO ENTI-MITONDRA NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, 15. Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin’] 16. Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, 17. ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan’ireny Hymeneo sy Fileto, [* Grika: gangrena] 18. izay nania tamin’ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany. 19. Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.” 20. Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. 21. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.
Paoly dia tena niezaka mafy hanampy an’i Timoty tamin’ny fitondrana ny Fiangonan’Andriamanitra. Zava-dehibe amin’ny Paoly raha miresaka Fiangonan’Andriamanitra ny
1. Fialana amin’ny ratsy (and 19)
«Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy»
Masina ny fiangonana izay sehatra iantsoana ny Tompo. Koa izay miantso ny Tompo, izay mifandray amin’ny Tompo dia antsoina iala amin’izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Ny miala dia ho enti-milaza fanalavirana, tsy fifikirana amin’ny ratsy. Tsy zavatra mora izany, isika mahalala tsara fa manana fironana amin’ny ratsy mandrakariva ny olona noho ny herin’ny fahotana. Mila ny hery sy ny fahefan’i Kristy isika vao tena ho afaka amin’ny faharatsiana.
2. Fanamasinan’ny Tompo (and 21)
«efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo»
Izay afaka amin’ny faharatsiana, afaka amin’ny herin’ny ota dia hamasinin’Andriamanitra. Hatokan’Andriamanitra ho amin’ny fanompoana Azy. Zava-dehibe ity fanamasinan’Andriamanitra ny mpanompony ity. Noho io fanamasinan’Andriamanitra io dia afaka manatanteraka ny asany isika.
Meteza hohamasinin’ny Tompo dia hahefa be amin’ny asany.