Mofon’aina ny 01 Aogositra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 02 Aogositra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 31 Jolay 2021

Mofon’aina ny 01 Aogositra 2021

Efes.2/8-10 ” 8

RY KRISTIANA O! MANAOVA ASA TSARA

Fa fahasoavana no namonjena anareo @ finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy @ Andriamanitra; tsy avy @ asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao @ i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo Aminy.”
Mahagaga ry havana ny asan’Andriamanitra fa olona ao anatin’ny fizahan-toetra, mifatotra any am-ponja, olona tokony hampaherezina indray no mampahery ireo olona tokony hampahery azy. Tsy izany ihany fa, Hay na dia ao anatin’ny sarotra sy ny mafy aza izy dia mbola afaka manao izay asa tsara niantsoan’i Jesoa Kristy azy hatrany. Rariny izany satria asany isika, voaforona tao @ i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo Aminy.” Ry kristiana o! Manaova asa tsara fa :

1- Asa nomanin’Andriamanitra hataon’ny olom-boavonjy izany.

Andriamanitra dia Tsara sady Mpanao ny Tsara. Koa raha lazain’i Paoly fa Asany isika dia tena mazava loatra fa nohariany ho tsara isika. ( Ary hitan’Andriamanitra fa tsara indrindra izany, hoy ny Gen.1/31.). Rehefa nanota ny olona dia tsy hoe tafasaraka t@ Andriamanitra fotsiny fa tena very mihitsy. Saingy nampahatsiahivin’i Paoly fa noho izay nataon’i Jesoa Kristy dia novonjena izy. Novonjen’Andriamanitra t@ alalan’i Jesoa Kristy isika.Koa satria efa nahazo famonjena , tonga olom-boavonjy isika dia io fa lazain’i Paoly hoe ” Namboarin’Andriamanitra mba hanao asa tsara isika.
Ry havana, raha ny dikanteny samihafa izay ampiasain’ny Baiboly ka Tonga iray tarika @ teny hoe famonjena dia anisan’izany ny hoe fanavotana , fanafahana. Saingy raha ny teny fototra indray dia milaza ihany koa hoe fana- sitranana. Iza tamintsika moa no diso anjara t@ izany rehetra izany? Firifiry ireo olona izay efa teo ambavahaonan’ny fahafatesana saingy navotan’Andriamanitra dia mbola velon’aina soa aman-tsara? Firifiry ireo narary ka niady t@ fahafatesana saingy nositranin’ny Tompo? Firi firy ireo voageja sy voafatotry ny asa ratsin’ilay satana saingy efa nohafahan’i Jesoa? Ny olona tahaka anao indrindra no entanin’Andriamanitra hanao asa tsara. Asa nomanin’Andriamanitra hataon’ny olom-boavonjy izany ka mahereza. Ry Kristiana o! Manaova asa tsara fa :

2- Asa nomanin’Andriamanitra hotontosain’ny olona nahazo fahasoavana izany.

Lazain’i Paoly mazava tsara eto @ ity perikopa ity ” Fa fahasoavana no namonjena antsika @ finoana; ary tsy avy amintsika izany, fa tena fanomezana avy @ Andriamanitra ” Paoly dia vavolombelon’izany fahasoavan’Andriamanitra izany. Olona mpanenjika ny Fiangonana izy ary nanao izany fatratra saingy noho ny famindram pon’Andriamanitra dia tonga fanaka voafidy izy hitondrana ny anaran’Andriamanitra any amin’ ny jentilisa. Ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy hoy izy ary tsy foana ny faha soavany ato amiko. Raisin’i Paoly ho adidy masina ho azy ny hanao ny asa tsara fa efa nomanin’Andriamanitra hanatontosa izany izy.
Ry havako, tarihina sy ampahatsiahivina ihany koa ianao mba hanao asa tsara satria ” Asa nomanin’Andriamanitra hotontosain’ny olona nahazo fahasoavana izany. Endri-pitahiana izay omen’Andriamanitra antsika no atao hoe faha soavana. Jereo ny lasanao, fantaro izay faha soavana efa nositrahinao, ny fahasoavana izay efa noraisinao. Sitrana t@ aretina ve ? Nahita asa ve ? Nahazo izay notadiavina ve ? Voavaha ve ny olana nampitanondrika? Afa-panadinana ve ianao sa ny zanakao? Sns…Tsarovy fa ny olona mahafantatra izay nataon’Andriamanitra taminy ihany no mahafantatra izay tokony hataony ho an’Andriamanitra.Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao fa reseo @soa ny ratsy.
Fehiny, araraoty Ary ny andro azo anaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao. Manana” mission” tena mazava isika. Kristiana mivonona hanao asa tsara noho ny famonjena sy ny fahasoava na izay noraisiny tao @ Jesoa Kristy. Ao @ ity firenena hanjakan’ny faharatsiana samihafa ity no nametrahan’Andriamanitra antsika mba hanao ny asa tsara. Mandehana ré ka ataovy izany mba ho voninahitr’Andriamanitra e. Amen
Source: Arijaona RAKOTONDRAMANANA Mpitandrina