Mofon’aina 02 Febroary 2022
Jaona 10. 1-10
JESOA KRISTY NO VAVAHADY
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy. 2 Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry. 3 Ary izy no vohan’ny mpiandry vavahady, ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka. 4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. 5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny. 6 Izany fanoharana izany no nolazain’i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. 7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. 9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. 10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
——————
Jaona raha nitantara ny amin’i Jesoa dia tsy ilay tantara amin’ny maha-tantara azy no tena nahamaika azy fa ny hevitry ny tantara raha ny marina. Mampiasa famantarana maro Jesoa ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona. Ireny famantarana ireny no manambara fa Andriamanitra Izy. Ao amin’i Jaona dia manambara tena Jesoa. Fito no fanambaran’i Jesoa mivantana ny tenany izay miatomboka amin’ny hoe : « Izaho no… » avokoa izany. Eto amin’izao mofonaina izao dia ambaran’i Jesoa fa Izy no vavahady. Jesoa no vavahady ka
1. Izy no tena Mpiandry ondry (and 7)
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry »
Ny loholona Jiosy tao amin’ny Testamenta Taloha no mpiandry ondry sy mpiandry vavahady. Tsy nahavita ny asany anefa izy ireo ka tonga mpiandry ondry sandoka. Koa satria efa lasa mpiandry ondry sandoka dia tsy fantatry ny ondry intsony. Ary rehefa tsy fantatry ny ondry intsony dia mitera-doza ho an’ny ondry. Mitera-doza satria tsy misy mitarika intsony ny ondry hivoaka sy hiditra ny vala. Rehefa tsy mivoaka ny ondry dia tsy afaka misakafo ara-dalàna, raha sendra nivoaka koa ka tsy tafody dia ho rembin’ny ambodia fahavalon’ny ondry. Soa fa nirahin’Andriamanitra Jesoa, mpiandry ondry tsara, fantatry ny ondriny tsara koa noho Izy tena manao ny asany araka ny tokony ho izy.
2. Mifamato-piainana amin’ny ondry Izy (and 3)
« Ary izy no vohan’ny mpiandry vavahady, ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka »
Ny fahafantaran’ny ondry ny feon’ny mpiandry sy ny fahafantaran’ny mpiandry ny anaran’ny ondry dia midika ho fifamatoram-piainana eo amin’ny ondry sy ny mpiandry azy. Io fifamatoram-piainana io dia miseho ihany koa amin’ny alalan’ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondry araka ny tokony ho izy. Ilay mitondra mivoaka dia tsy tokony hohadinoina fa fitondrana azy ireo hisakafo, famelomana no dikany. Adidin’ny mpiandry ny mamelona ny ondry arak’izany. Amin’ny alalan’ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra no ho enti-mamelona ny ondrin’Andriamanitra. Ny fampianaran’i Jesoa sy ny toriteniny no hanatanterahany izany. Tonga fantatry ny ondriny Izy ka maro ireo Jiosy na Jentilisa nihaino Azy fahizay.
3. Manome fiainana be dia be Izy (and 10)
« Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be »
Foto-kevi-dehibe ao amin’ny asa soratra Jôhanika ny hoe : « izay mino dia mahazo fiainana ». Mpanome fiainana no anehoan’i Jaona an’i Jesoa. Sady afaka manome fiainana eto an-tany Izy no afaka manome fiainana mandrakizay, izay no iray amin’ny dikan’ny hoe be dia be. Ny hoe be dia be koa dia ho enti-milaza ny olona maro afaka misitraka izany fiainana ao amin’i Jesoa izany. Tsy voatokana ho an’olona iray ny fiainana omen’i Jesoa, ho an’izao tontolo izao mihitsy, izao tontolo izao izay maneho ny olombelona rehetra.
Sambatra isika ondrin’i Jesoa, sady voakarakara no velona tsara ary mahazo fiainana be dia be ety an-tany no misitraka ny fiainana mandrakizay koa rahatrizay.