Mofon’aina 01 Febroary 2022 Ny teo aloha Mofon'aina 02 Febroary 2022 Ny tao aoriana Mofon'aina 31 Janoary 2022

Mofon’aina 01 Febroary 2022

Ezekiela 12. 21-28

NY TENY LAZAIN’ANDRIAMANITRA TO TOKOA

Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 22 Ry zanak’olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin’ny tanin’ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? 23 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra. 24 Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin’ny taranak’Isiraely. 25 Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo. 26 Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: 27 Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinaniny. 28 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
——————
Eto amin’izao Ezekiela 12 izao dia nampitandrina ny Zanak’Isiraely fa noho ny ditrany dia ho babo any Babylona izy. Tsy avy hatrany anefa dia babo izy ireo fa tena fitaomana azy ireo hiala tamin’ny faharatsiana no tanjon’ny Tompo. Noesoin’ny Zanak’Isiraely anefa ny Tompo ka nolazain’izy ireo fa toa tsy tanteraka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Ezekiela : « Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? » and 22. Teo anatrehan’izany dia niteny tamin’i Ezekiela ny Tompo fa hihatra amin’ireto taranaka maditra ireto tamin’izao fotoana niainan’izy ireo izao ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny faminanian’ny mpaminany. Ny tenin’Andriamanitra dia
1. Maneho ny maha-izy azy an’Andriamanitra (and 25)
« Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa »
DIEM « Izaho Tompo no hiteny, ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony »
Ny hoe to dia filazana fahatanterahana – fahatontosana. Maneho an’Andriamanitra sy ny maha-izy azy an’Andriamanitra ny teniny. Tsy mbola nisy tokoa tenin’Andriamanitra, na fampanantenana avy amin’Andriamanitra ka tsy tanteraka. Andriamanitra tanteraka ny Tompo ka tanteraka toa Azy ny teniny. Marina teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao sy ny tantaran’ny famonjena izany. Izany rahateo no naharesy lahatra an’i E ANDRIANJAFITRIMO hanoratra hoe : « ny teninao rehetra, ry Tompo tia anay ; no tsy mba manam-petra, fa TO mandrakizay » FFPM 205. 1. Io fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra io dia tena tonga nofo tao amin’i Jesoa, izay nahary fiainam-baovao ho an’izay rehetra mino Azy. Andriamanitra ny Tompo, tsy mandainga Izy, tsy avelany ho menatra sy ho afa-baraka rahateo koa ny mpanompony. Noho ny fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo io no mbola mampijoro mandrakariva ny fiangonana ka mahatonga azy henoin-teny.
2. Tanterahin’Andriamanitra tokoa (and 28)
« Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo »
Matoa tanteraka ny tenin’Andriamanitra dia
– Eo mihitsy aloha ilay finiavan’Andriamanitra hanatanteraka izany. Tsy fampanantenana poak’aty ny an’ny Tompo, tsy mpandainga rahateo Izy na mpivarotra am-pitsanganana. Andriamanitra Izy ka mitana ny teny nomeny.
– Eo ihany koa ny hery sy fahefan’Andriamanitra izay ho entiny manatanteraka izay nolazainy sy nampanantenainy. Andriamanitra irery no manana ny ho enti-manana rehetra ho enti-manatanteraka ny teniny. Izany rahateo no mahatonga an’Andriamanitra tsy mahay mandainga na mampanantena tsy misy.
Andriamanitra azo itokiana ny Tompo noho ny teniny to mandrakizay, noho Izy tena manatanteraka izay nolazainy. Tanteraka tao amin’i Jesoa avokoa ny teny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra. Jesoa rahateo no fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra rehetra.