Mofonaina 02 Desambra 2020
Jaona 4. 16-24
JESOA NO MESIA
Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa aty. 17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy hianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
Tantaran’ilay vehivavy samaritana tonga tamin’ny fanekena an’i Jesoa ho Mesia ity mofonaina ity. Noho Jesoa nanaiky nifandray taminy, niresaka taminy no anton’izany fahatongavana tamin’ny fanekena ny maha-Mesia an’i Jesoa izany. Raha nihazona ny maha-Jiosy tsy mifandray tamin’ny samaritana mantsy Jesoa dia ho sarotra tamin’ity vehivavy ity ny hifandray tamin’i Jesoa. Sarotra arak’izany koa hahatongavany amin’ny finoana. Arak’izany, Jesoa no Mesia ka
1. Mahafantatra ny an-tsipirian’ny fiainan’ny olona (and 17-18)
« Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy hianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany »
Rehefa nilaza ity vehivavy ity fa tsy manam-bady dia nampahafantarin’i Jesoa azy fa fantatr’i Jesoa ny fiainany. Tsy misy miafina amin’i Jesoa ny fiainana hatramin’izay farany bitika indrindra. Fantany fa maty vady izy, ary manao tokantrano maso. Asehon’i Jaona fa Jesoa dia Mesia, mahafantatra ny zavatra rehetra. Tsy misy miafina amin’i Jesoa ny zavatra rehetra, indrindra ny fiainan’ny olona. Jesoa irery no Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao mahalala ny zavatra rehetra, indrindra na dia izay miafina indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona aza.
Manamafy ny maha-Mesia an’i Jesoa ny fahafantarany ny zavatra rehetra. Jesoa nahafantatra ny zavatra rehetra koa mantsy no nahatonga Azy afaka nitory tsara ny filazantsara. Afaka nanampy ny olona handresy izay mety ho karazan’olana samihafa eto amin’izao tontolo izao.
2. Mampianatra ny fomba fivavahana amin’Andriamanitra (and 21-24)
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray… Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana… Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana »
Nampianarin’i Jesoa ity vehivavy Samaritana ity fa tsy ny toerana loatra no zava-dehibe raha hivavaka amin’Andriamanitra fa ny toe-po sy ny Fanahy izay mitarika amin’izany fivavahana amin’Andriamanitra izany. Tsy ny maha-ao Jerosalema akory no zava-dehibe hihainoan’Andriamanitra izay mivavaka Aminy. Raha hivavaka amin’Andriamanitra dia tena zava-dehibe ireto zavatra roa ireto
a) Mila fitarihan-dàlana avy amin’ny Fanahy Masina : « ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy ». Ny hoe mivavaka amin’ny Fanahy dia ho enti-milaza ihany koa hoe mivavaka tarihin’ny Fanahy. Izay manana ny Fanahy Masina ao aminy no hahay hifandray amin’Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra hahatonga ny mino hifandray Aminy tokoa mantsy ny Fanahy Masina. Fanahy mampiombona antsika amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Izy.
b) Mila toe-po tia fahamarinana : « ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny… Fahamarinana ». ny Fanahy Masina rehefa mitarika antsika hifandray amin’Andriamanitra dia manampy antsika aloha Izy ho mendrika an’izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany. Ny fanaovana ny marina eo amin’ny fiarahamonina dia tena asan’ny Fanahy Masina.
Adidin’ny Mesia, adidin’i Jesoa ny mampianatra ny olona ny fomba mendrika hifandraisana amin’Andriamanitra. Rehefa teto amin’izao tontolo izao Jesoa dia tanterany soamantsara ity asa maha-Mesia Azy ity. Vitany tsara ny anjarany amin’ny fampihavanana ny olona rehetra amin’Andriamanitra
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina