Mana voalahatra 4 Desambra 2020 Ny teo aloha Mana voalahatra 07... Ny tao aoriana Mana voalahatra 03...

Mana voalahatra 4 Desambra 2020

JEREMIA 51.1-24

ANDRIAMANITRA TOMPON’NY FANAPAHANA SY FAHEFANA

1 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.2 Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ ny andro fahoriana ireo.3 Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,4 Mba hiampatrampatra any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.5 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely aza ny taniny.6 Mandosira hiala an’ i Babylona hianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany hianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.8 Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.9 Nitady hanasitrana an’ i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin’ ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ ny rahona.10 Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.12 Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.13 Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.14 Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa hianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,15 Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.16 Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.17 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.20 Langilangiko sy fiadiako hianao; Fa hianao no ho entiko manorotoro firenena, ary hianao no ho entiko mandringana fanjakana,21 Ary hianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary hianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;22 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary hianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary hianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;23 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary hianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary hianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.24 Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.

Tompon’ny fanapahana.

Andriamanitra dia tsy hay tohaina fa manapaka hahatanteraka ny sitrapony. Izy no mamporisika ny fanahin’ny mpandringana hamely ny Babylona (1-11). Izy no manapa-kevitra fa hamindra fo amin’ny Israely (5) ka miantso ny olony voafidiny handositra ny loza sy ny fitsarany ny Babyloniana (6-19). Na dia eo aza ny fikasan’ireo firenena momba ny Babylona hamonjy sy hanavotra azy dia tsy hahomby izany satria efa notapahan’Andriamanitra ny fahaverezany (8-9).

Tompon’ny fahefana.

Andriamanitra manam- pahefana Jehovah. Sady misaina no mahatanteraka (12), maniraka olona maro hanatanteraka ny sitrapony Izy (14). Mampibaribary ity teny ity fa Andriamanitra no Mpamorona izao tontolo izao, masi-mandidy amin’ny tany sy izay rehetra noforoniny (15-16). Zava-poana ny sampin’ny Babylona ka na maro toa inona aza izany dia tsy hahafaka azy eo an-tanan’Andriamanitra (18).

Sady Andriamanitra marina.

Amin’ny fahamarinana no ampiharan’Andriamanitra izany fanapahana sy fahefany izany. Izy no naniraka sy namporisika ny Babyloniana hambabo ny Joda kanefa kosa ireo dia niavonavona tamin’i Jehovah sady nihevitra ny tenany ho nanana ny fahefana fara-tampony ka tsy mba namindra fo tamin’Israely olony (Jeremia 50.29, Isaia 47.6-10).

Saintsaino :

“… fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka” (Jeremia 51.12) … Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam- pitoviana amin’ny olona ” (Filipiana 2.6-7)

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly