Mana voalahatra 28 Desambra 2020 Ny teo aloha Mana voalahatra 29... Ny tao aoriana Mana voalahatra 26...

Mana voalahatra 28 Desambra 2020

GALATIANA 6.1-10

FIARAHA-MONINA MIRINDRA

1 Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza [azo olan-tànana amin’izay fahadisoana aza], dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.2 Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa;5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa hoa an’izay mampianatra.7 Aza mety hofitahina hianareo; fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.8 Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.9 Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.

Inona avy no azon’ny olona mandeha araka ny Fanahy sy ny olon’afaka? (1-5):

Afaka manangana ny lavo, amin’ny fahamoram- po nefa tsy mihevitra ny tena ho tsara na hendry kokoa noho ilay ampiana. (1), ”Ianao izay manao azy fa efa mijoro tsara mitandrema sao lavo”. Afaka manampy ny hafa hahita vahaolana amin’izay mety ho olany kanefa tsy mihevi-tena ho mpamaha olan’ny hafa na mpamonjy azy. (2,3) Afaka ny ho faly amin’izay ananany fa tsy hampitaha ny zava-bitany amin’ny an’ny hafa (4) Afaka ny ho mahaleo tena mitondra ny olany eo amin’i Jesoa Kristy ary mitady vahaolana am-pahendrena, nefa tsy mihevi-tena loatra ho mahavita tena ka tsy mila ny hafa (5).

Mijinja izay nafafy (6-10).

Miteraka fiaraha- monina mirindra ny fifanohanana. Eto dia eo amin’ny mpianatra sy mpampianatra no resahina. Fahafoizana zava-tsoa avy amin’ny andaniny: mpampianatra zava- panahy, ary fahafoizana manome fankasitrahana avy amin’ny ankilany: ireo izay ampianarina. Ny fanaovan-tsoa tokoa amin’ny maha mpampianatra zava-panahy dia isaina ho fahasoavana fa tsy tambin- karama, hain’Andriamanitra foana no mamaly fitia an’ireo tia manao soa maimaimpoana satria tsy voatery hanome hatrany ny ampianarina.

Fifampitsinjovana.

Misy fahamatorana tsara amin’ny fandraisana fankasitrahana sy ny fanekena raha sendra tsy nisy izany hoan’ny mpampianatra. Ny amin’ny ampianarina kosa dia tsy tokony hanararaotra ka hihevitra fa ny zava-panahy dia maimaimpoana mandrakariva. Mahay manisy tombany ny fampianarana satria nisy fotoana, hery, fahaiza-manao nozaraina tao, ka dia mba mahafoy ho setrin’izany rehetra izany. Sady manampy ny mpampianatra hahazo hery ka mbola hanohy ny asa fanompoany amin’ny hafa. Fa na ny mpampianatra na ny ampianarina dia samy handray valim-pitia avy amin’Andriamanitra rehefa samy nahafoy ka nifampitsinjo sy nifanohana. Tsy mahafinaritra ve izany?

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly