Mana voalahatra 26 Novambra 2020 Ny teo aloha Mana voalahatra 27... Ny tao aoriana Mana voalahatra ALAROBIA...

Mana voalahatra 26 Novambra 2020

SALAMO 121

JEHOVAH NO MPIARO!

Fahatokian’ izay manana an’ i Jehovah ho Mpiaro azy

1 Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy ?2 Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.

5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.7 Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

Avy aiza ny famonjena ahy ?

Voahodidin’ny tendrombohitra Ziona i Jerosalema. Fiarovana amin’ny fahavalo izy ireny satria vao mipoitra eny an-tampony dia efa hita ry zareo. Manamafy anefa ny mpanao Salamo eto fa avy amin’i Jehovah ny famonjena fa tsy avy amin’ny tendrombohitra. Ilay Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany, ilay Andriamanitra mahay mampisy ny tsy misy. Mahay miaro ny olony na dia amin’ny fanenitra sy ny zava- boahary kely aza. Mahay mamonjy sy miaro amin’ny fomba tsy takatry ny saina. Mpiaro manara-maso andro aman’alina. Tsarovy fa na dia iray segondra monja aza ny Tompo no rendrehana dia rava sy potika izao tontolo izao. Tena Mpiaro azo antoka Izy. Tsy misy loza hanjo anao. Mety ho tratry ny loza ihany isika ety ambonin’ny tany, tsy hoe tsy niaro ny Tompo na tsy naharo fa navelany hitranga mihitsy ireny mba tsy hahatonga antsika ho variana.

Hiaro amin’ny zavatra mety mandoro Izy:

masoandro sy volana. Maro ireo loza alefan’ny fahavalo fa mahay miaro amin’ireny ny Tompo. Mba alaivo sary an- tsaina anie ny zavatra saika nitranga teo amin’ny fiainanao e! Nahoana no tsy nitranga? Tao ilay tana- maherin’ny Tompo niaro tamin’ny fomba mahagaga. Sady arovany no omeny fitaovam-piadiana. Tsy ny vatana ihany no arovany fa ny saina sy ny fanahy koa. Ny fanafihana rehetra ataon’ilay ratsy no efa nanomezany antsika ny fitaovam- piadiana handresena izany araka ny Efesiana 6.14-18 :

“Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan- tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra.”

Fampaherezana : Aza mitady fiarovana hafa intsony ary.

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly