Mana voalahatra 23 Mey 2021 Ny teo aloha Mana voalahatra 24 Mey 2021 Ny tao aoriana Mana voalahatra 22 Mey 2021

Mana voalahatra 23 Mey 2021

PENTEKOSTA

JOELA 3.1-5 F.4

HO ANAO MANOKANA ILAY …

Fanomezana sarobidy (1-2). Rehefa avy nilaza ireo fitahiana rehetra azo aorian’ny fibebahana Andriamanitra (toko 1 sy 2), dia milaza eto ny fanomezana faratampony omeny Izy : ny Fanahiny. Ny rehetra no afaka hisitraka izany, tsy hanavahana na iza na iza: ny zanaka rehetra na lahy na vavy, ny antitra, ny zatovo, ny mpanompo. Hatramin’izay manko dia toa voafidy ny olona nahazo izany, mpaminany na mpitarika ohatra, ary lehilahy no ankamaroany.

Famantarana eny amin’ny zava-boary (3-4). Ireny dia hanambara ny fihavian’ny andron’ny fitsaran’Andriamanitra. Tsy misy afaka hilaza hoe «tsy fantatro, tsy nampoiziko», satria ny zava-boary aza dia ampiasain’Andriamanitrana hilaza mialoha. Ho avy hitsara Izy, fa noho ny haben’ny fiantrany dia mampahafantatra mialoha Izy. Isika no  misafidy izay feo tiantsika hohenoina.

Fanafahana (5). «Ary na zovy na zovy» no maniry hovonjena amin’izany andro lehibe sady mahatahotra izany, dia afaka miantso an’Andriamanitra. Ny fitiavany ny olombelona rehetra no lazaina eto, tsy misy avahana na iray aza, tsy miankina amin’izay habeny na hakelin’ny ataonao, na ratsy na tsara, fa rehefa miantso Azy dia mahazo valiny, mahazo famonjena. Izy Andriamanitra ihany no manoro ny làlana hialana amin’ny andron’ny fitsarany.

Fampaherezana  : Namafisin’i Jesoa tamin’ireo mpianatra ny handefasany ny Fanahy Masina (Jaona 16.7-8). Ary miverina ao amin’ny Testamenta Vaovao ireo teny nampitondraina an’i Joela (Asan’ny Apostoly 2.17-21). Zava-dehibe ho amin’ity Pentekosta ity ireo. Raha mino ianao dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahatsarany. Ho anao manokana ireo teboka telo voalaza eo ambony.