Mana voalahatra 17 Desambra 2020
GALATIANA 3.26-4.7
NY ZANAK’ANDRIAMANITRA DIA MANANA ZO SY ANDRAIKITRA
26 Fa hianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.29 Fa raha an’ i Kristy hianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
(4:1-7)1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;2 fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;4 fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,5 hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan-anaka.6 Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.7 Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.
Zanaka noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.
Izany tokoa : Lasa Zanak’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesosy ianao ary nanova ny “Sata” nanananao izany. Lasa afaka miantso “Ray, Aba” an’Andriamanitra, lasa taranak’i Abrahama ara- panahy, lasa mpandova araky ny teny fikasana, lasa manana rahalahy sy anabavy maro. Lasa manova ny maha ianao anao izany. Ary noho ny amin’ny batisa dia lasa mitafy an’i Kristy ianao (27).
Mitovy sata ny samy zanak’Andriamanitra.
Hamafisin’ny tenin’Andriamanitra eto fa rehefa zanaka dia “iray ao amin’i Kristy”. Tsy misy intsony ny karazan-tsaranga, fa saroman’ny maha zanak’Andriamanitra ny momba antsika. Izany tokoa ny Filazantsaran’i Jesosy, izay Filazantsaran’ny fihavanana, mandrava ny efitra mampisaraka. Ka na maro aza ny zanaka dia samy manana ny anjara toerany avy, mitovy fa tsy sahala.
Antso :
Meteza ho fitaovana eo ampelatanan’ny Tompo hampiray, hampifankatia ny zanak’Andriamanitra. Zanaka mila mitombo mba ho “tompon’andraikitra”. Tandremo fa na dia zanaka mpandova aza ka mbola mitoetra ho zaza dia tsy afaka hisitraka izay maha mpandova azy fa mbola fehezin’ny hafa. Antso lehibe ao anatin’izao teny dinihintsika izao ny tokony hitomboantsika ara-panahy, mba ahafahantsika miatrika ny adidy sahaza ny zanaka. Soa fa tsy navelan’i Jesosy ho irery isika fa eo ny Fanahy Masina, ny Tenin’Andriamanitra, hanoro, hitaiza antsika eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
Fampieritreretina :
Efa zanaka ve aho ? «Isika tsy naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny Fanahy» (Hebreo 10.39) Sa zanaka nefa mijanona ho zaza ihany? Ekeo ny fitaizan’ny Fanahy hitombonao (Kolosiana 9-11) !
Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly