Mana isan’andro 29 Novambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 30... Ny tao aoriana Mana isan'andro 28...

Mana isan’andro 29 Novambra 2021

NEHEMIA 9. 16-37 F.1, 2

VOKATRY NY FANETREN-TENA

16 Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,

17 ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.

18 Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;

19 kanefa noho ny haben’ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.

20 Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin’ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;

21 eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.

22 Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin’i Sihona sy ny tanin’ny mpanjakan’i Hesbona ary ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, izy.

23 Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra, sady nentinao ho amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana.

24 Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.

25 Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ny fahatsaranao lehibe.

26 Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.

27 Koa dia natolotrao ho eo an-tànan’ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo.

28 Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben’ny fiantranao.

29 Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin’ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.

30 Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ny firenena amin’ny tany hafa.

31 Nefa noho ny haben’ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.

32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany.

33 Hianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;

34 ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.

35 Fa tsy nanompo Anao teo amin’ny fanjakany izy sy teo amin’ny haben’ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin’ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony izy.

36 Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;

37 ary mahavokatra be izy, kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.

Mahatsiaro ny fiodinana tamin’Andriamanitra.
Na dia tsy miova aza Andriamanitra teo amin’ny fitantanana ny zanak’Isiraely dia niodina hatrany ny vahoaka nandritra ny fotoana lava (16-30). Fampahatsiahivana izany no vavaka asandratra eto satria miaiky fa tsy nihaino, nikomy ary nanompo sampy. Koa satria vaovao isa-maraina ny fahasoavan’Andriamanitra (Fitomaniana 3.22, 23) dia namindra fo Izy ary nomba azy ireo araka izay voalaza fa « Tsy nanan-java-mahory akory ireo” (21b). Miaiky ny fahadisoany ny vahoaka ary mankasitraka ny fahasoavana omen’Andriamanitra hatrany araka izay voalaza fa « ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. » (Romana 2.4b) Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy ny faharetan’ny famindrampon’Andriamanitra manoloana ny ditrantsika olombelona fa andeha hanolotra ny fiainantsika ho fankalazàna Azy ! (2 Petera 3.9)
Fitalahoana.
Rehefa avy niaiky ny faharatsiany sy ny fandikan-dalàna nataony ireto vahoaka dia nofaranana tamin’ny fitalahoana ny vavaka mba hanafaka azy ireo indray amin’ny fanandevozana mbola misy azy ankehitriny (32-37). Mbola misy mamatotra anao koa ve amin’izao fotoana izao ? Tsarovy fa afaka hanome antsika ny hery rehetra Jesoa Kristy hanoherana ny ota maro mbola mangeja. Koa inona no manakana anao tsy hitodika Aminy ?
Fahamarinana : Ny manetry tena no hovonjena (Joba 22.29) ary raha ny zanaka no hahafaka dia ho afaka tokoa (Jaona 8.36)