Mana isan’andro 23 Novambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 24... Ny tao aoriana Mana isan'andro 22...

Mana isan’andro 23 Novambra 2021

NEHEMIA 3.33 – 4.1-23 F.2,6

MPITARIKA KINGA SY HENDRY

33 Ary rehefa ren’i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,

34 dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo?

35 Ary Tobia Amonita dia teo anilan’i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin’izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.

36 Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy.

37 Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ireo mandrafitra izy.

38 Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.

1 Ary rehefa ren’i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.

2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema ka hanimba ny asa.

3 Dia nivavaka tamin’Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’alina noho ny fahatahoranay azy.

4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.

5 Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.

6 Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,

7 dia nasiako olona teo amin’ny fitoerana ambany, teo ivelan’ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka.

8 Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.

9 Ary nony ren’ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin’ny manda izahay rehetra, samy ho amin’ny asany avy indray.

10 Ary hatramin’izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman’ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ny fianakaviana rehetra amin’ny Joda.

11 Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.

12 Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.

13 Ary hoy izaho tamin’ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin’ny manda isika ka mifanalavitra.

14 Koa eo amin’izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.

15 Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin’ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.

16 Ary tamin’izany andro izany dia hoy koa aho tamin’ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.

17 Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.

Rehefa mandroso ny asa dia misy foana ny fahavalo mitsangana. Sanbala no mpitarika ny mpanohitra, ilay nandrabiraby sy naneso tany ambadika dia nanjary niseho imasom-bahoaka ny fahatezerany sy ny fankahalany (33-34), nanampy azy koa ry Tobia, ny Arabo ny Amonita ary ny Asdodita (4.1). Sao dia izaho koa ilay karazan’olona mpankahala ka mitarika ny olona amin’ny fandrafiana eo amin’ny fiaraha-monina? Ny olona ratsy saina dia mihevitra faharatsiana hatrany satria eto dia tsy fandrabiana sy fanambaniana fotsiny fa famotehina mihitsy no ao am-pony (4.2).
Ny vavaka no fitaovam-piadiana tsara indrindra. Nanoloana ny zava-nisy dia vavaka hatrany no nasetrin’i Nehemia ireny fanenjehana sy fanaratsiana ireny (3.36-37, 4.3) kanefa tsy midika izany akory fa niandry anjely nilatsaka avy tany an-danitra hiaro sy hanao ny asa izy fa tena nomen’Andriamanitra fahendrena i Nehemia hiatrehana ireo fahavalo sy hampaherezany ireo mpiray tanindrazana aminy ary handaminany ny tohin’ny asa (4.6-15).
Ny mpitarika mahomby manana paikady mazava. Nehemia dia tompon’andraikitra iray mamaha ny olana tsirairay satria tsy nitovy foana ny fomba nentiny namaliana ireo fanoherana nisesy: voalohany indrindra dia tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny asa, avy eo vavaka sy fiambenana, ary farany fitaovam-piadiana sy mpiady satria tena ilaina tokoa izany raha mety haningotra ain’olona ireto fahavalo ireto.
Fampiharana: eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia misy ary hisy foana izany fanenjehana izany saingy aza avela hitondra fahakiviana na fialàna anefa izany fa “Mivavaha ary miasa ao anatin’ny fianteherana amin’ny Tompo Jesoa”.