Mana isan’andro 22 Novambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 23... Ny tao aoriana Mana isan'andro 21...

Mana isan’andro 22 Novambra 2021

NEHEMIA 3.1-32 F.2,6

MPITARIKA MAHAY MANDRISIKA

1 Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ny tilikambo Hamea ka hatramin’ny tilikambo Hananela no nohamasininy.

2 Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’Imry.

3 Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.

4 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak’i Oria, zanak’i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’i Berekia, zanak’i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’i Bana.

5 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ny fanompoana ny Tompony.

6 Ary ny vavahady taloha dia namboarin’i Joiada, zanak’i Pasea, sy Mesolama, zanak’i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.

7 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny seza fiandrianan’ny governora etỳ an-dafin’ny ony etỳ.

8 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’i Jerosalema izy hatramin’ny mandà lehibe.

9 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak’i Hora, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Jerosalema.

10 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’i Haromafa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’i Hasabnia.

11 Ny sasany koa mbamin’ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’i Malkia, zanak’i Harima, sy Hasoba. zanak’i Pahatamoaba.

12 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’i Halohesy, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.

13 Ny vavahady mankamin’ny lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ny manda hatramin’ny vavahadin-jezika.

14 Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’i Malkia, zanak’i Rekaba, komandin’ny fehin’i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.

15 Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’i Saloma, zanak’i Kola-hoze, komandin’ny fehin’i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ny farihy Siloa, teo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, ka hatramin’ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan’i Davida.

16 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’i Azboka, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Beti-zora, hatramin’ny teo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida ka hatramin’ny farihy izay natao ary hatramin’ny tranon’ny lehilahy mahery.

17 Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin’ny antsasaky ny fehin’i Keila, ho an’ny fehiny.

18 Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’i Henadada, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Keila.

19 Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’i Ezera, zanak’i Jesoa, komandin’i Mizpa, teo amin’ny tandrifin’ny fiakarana ho any amin’ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ny fiolahana.

20 Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ny fiolahana ka hatramin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe.

21 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatramin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatramin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

22 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ny tany lemaka.

23 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany.

24 Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’i Binoy, zanak’i Henadada, hatramin’ny tranon’i Azaria ka hatramin’ny fiolahana eo amin’ny zorony.

25 Ary Palala, zanak’i Ozay, koa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ny tilikambo ambony, eo amin’ny ranon’ny mpanjaka, eo akaikin’ny tokotanin’ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’i Parosy.

26 Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ny tandrifin’ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ny tilikambo.

27 Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ny Tekoita, teo amin’ny tandrifin’ny mandroso eo amin’ny tilikambo lehibe ka hatramin’ny mandan’i Ofela.

28 Hatreo ambonin’ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.

29 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.

30 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’i Hanania, zanak’i Setemia, sy Hanona, fahenin’ny zanak’i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’i Berekia, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny efi-tranony ihany.

31 Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ny mpanefy volamena, hatramin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatramin’ny trano ambony teo an-jorony.

32 Ary ny teo anelanelan’ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ondry no namboarin’ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.

Somary sarotra takarina ity toko ity fa hanampy antsika hahazo izay hafatra mafonja fonosiny dia tsara fintinina amintsika fa fitanisana ny fanarenana ny manda no resahina eto, izay nanomboka avy eo avaratr’i Jerosalema (1-7), nankany andrefana (8-13), avy eo nianatsimo (15-32) ary nifarana teo avaratra indray, izany hoe nanomboka teo amin’ny vavahadin’ondry ary nifarana teo ihany koa (1,32). Famantarana manan-danja amin’ny fisoronana izany. Nehemia koa dia tsy nitarika ny fanaovana ny manda fotsiny ny asany fa nampibebaka ny olona koa (9.7-37). Fianarana ho antsika izany fa tsy misaraka ny fanaovana asa sy ny fitoriana ny filazantsara.
Efa ho 40 ny isan’ny antokony voalaza eto, nahitana sarangan’olona samihafa : mpanompon’Andriamanitra (1,28), mpitondra (14) mpandraharaha (32), olona tsotra ary lahy sy vavy (12). Mila antsika rehetra koa ny asan’Andriamanitra. Narindran’i Nehemia ny asa mba hanana anjara tandrify azy ny tsirairay amin’ny fanamboarana ny varavarany, tilikambony ary ny faritry ny manda manoloana azy. Nahitana ny toe-tsain’ny tsirairay anefa izany satria nisy ireo nanana zotom-po nanao nihoatra izay tokony ataony (13), nisy izay tandrify azy ihany no nataony (20,29), nisy namita izay tsy vitan’ny sasany aza (32), nisy koa tsy nety nanao tsotra izao (5b), fa izaho kosa mba karazan’olona manao ahoana rehefa misy ireny asa ifandrimbonana ireny? Tena azo ambara fa tena mpitarika mahay Nehemia satria nanana drafitrasa mazava ary tena nahay nandrisika ny rehetra ka tanteraka teto tokoa ilay hoe: “…Eny, aoka isika hitsangana handrafitra azy…” Nehemia 2/18
Saino : saro-bidy ny fiarahana mientana ary mila mpitarika tahaka an’i Nehemia ny ankohonana, ny fiangonana ary ny fiaraha-monina misy antsika, izay mahay mampiray sy mandrindra ary manana toe-po mpanangana ny rava.