Mana isan’andro 17 Desambra 2021
SALAMO 9.1-11 F.1,2
EL SAPHAT ANDRIAMANITRA MPITSARA (1)
1 [Salamo abidy. Fiderana an’Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an’ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon’i Davida. Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
6 Ny amin’ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]
7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy.
9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy.
10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
11 Mankalazà an’i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ny firenena ny asany.
12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,
14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ny famonjenao.