Mana isan’andro 16 Desambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 20... Ny tao aoriana Mana isan'andro 17...

Mana isan’andro 16 Desambra 2021

EFESIANA 6.10-24 F.2, 6

REHEFA TAFARAY AMIN’I KRISTY DIA …

10 [Ny adim-panahin’ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr’Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.

11 Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.

12 Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra*. [* Gr. lanitra]

13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.

14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo;

16 ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.

17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

18 ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra,

19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara

20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]

21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;

22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.

23 Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.

24 Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena.

Manana hery fiarovana (10-17).
Araka ny filazan’i Jesoa, ny fahavalontsika dia mitady fatratra ny hamono, hangalatra sy handringana antsika (Jaona 10.10). Manoloana izany, tsy avelany ho irery isika. Sady miaraka amintsika Izy (Matio 28.20), no omeny fitaovana hiarovan-tena isika : ny fahamarinana, ny rariny, ny fahavononam-panahy, ny finoana, ny famonjena, ny tenin’Andriamanitra. Tsy misy azontsika foronina ireo. Andriamanitra no manome ireo (11) ary ny fanakaikezantsika Azy no hahazoantsika ireo (10).
Mifandray akaiky Aminy (18-21).
Ilay fivavahana tsy tapaka Aminy tokoa no anisan’ny endriky ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Tsy voafetra ny tonom-bavaka azo atao : miverina indroa ilay teny hoe « rehetra » (18). Afaka manomboka amin’izay akaiky antsika, ho an’ny fiainantsika manokana, ny olona akaiky antsika. Azo hitarina amin’ny manodidina, ny firenena, ho an’ny kristiana henjehina sy gadraina noho ny finoany an’i Kristy. Ny zava-dehibe eto dia ilay firesahana Aminy « mandrakariva ».
Hanehoany ny fitiavany tsy misy fetra (22-24).
Isika dia afaka mifamangy sy mifampahery ao anaty fotoan-tsarotra. Paoly dia maniraka mpiara-miasa aminy, hanao tatitra amin’ny fiangonana momba ny zavatra hiainany. Toa milaza izy eto fa any am-ponja noho ny filazantsara (19-20). Tsy ny hampahaketraka no hilazana ny zava-tsarotra, fa ny hifampaherezana sy hifampivavahana kosa. Zava-dehibe tokoa izany fifampizarana izany sy ireto faniriany ho an’ny kristiana : fiadanana, fitiavana, finoana, fahasoavana.
Fahamarinana : Ny hevitr’ity teny novakiana ity dia ny hampaherezana antsika, indrindra raha anaty toe-javatra sarotra noho ny fanarahana an’i Kristy. Omena antsika eto izay ilaintsika mba hijoroantsika hatrany. Fa manao ahoana kosa ny firaisako amin’i Kristy?