Mana isan’andro 12 Novambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 13... Ny tao aoriana Mana isan'andro 11...

Mana isan’andro 12 Novambra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 18. 18 – 28 F .1, 6

DIA MISIONERA

18 [Ny niverenan’i Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an’i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.

19 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin’ny synagoga ka niady hevitra tamin’ny Jiosy.

20 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,

21 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.

22 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.

23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.

24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ny Soratra Masina.

25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan’ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy, kanefa ny batisan’i Jaona ihany no fantany.

26 Ary izy niteny tamin’ny fahasahiana teo amin’ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny lalan’Andriamanitra.

27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;

28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.

Sady Apostoly no misionera: Azo lazaina ho izany i Paoly satria nirahina hitory ny Filazantsara amin’ny Jentilisa izy kanefa koa nanangana fiangonana mba hitaizana ny fanahin’ireo izay mandray izany Filazantsara toriany izany. Nitety faritra maro izy tamin’izany: Efesosy, Kaisaria, Antiokia… toerana nananganany fiangonana tamin’ny dia misionera voalohany notanterahiny (13-14) sy ny dia misionera fahatelo nataony (15-18).
Nanatanteraka ny iraka nampanaovin’i Jesoa Krity azy i Paoly tamin’ny fitoriana ny Filazantsara ary izany no maha Apostoly azy fa nanangana fiangonana ihany koa izy ka izay no maha misionera azy. Rehefa vaotsangana ireny fiangonana ireny dia fanaon’i Paoly ny miverina mamangy ny Kristiana ao amin’izy ireny, mampahery sy mampianatra azy ka hiorenany mafy amin’ny finoana efa azony.

Dia misionera fahatelo: Tsy nijanona hatreo ny fitetezan’i Paoly faritra fa nanomboka teto indray ny dia misionera fahatelo nataony (18.23-21.15).

Mpiara-miasa mitory Filazantsara: Ambara manokana eto ny amin’i Apolosy, lehilahy izay nirahin’Andriamanitra ihany koa hitory ny Filazantsara. Na dia mbola voafetra ihany aza ny fahalalany satria ny batisan’i Jaona no mbola fantany dia nanampy azy hahalala bebe kokoa an’i Jesoa Kristy i Prisila sy Akoila. Ka dia sahy nanambara sy nandresy lahatra ny Jiosy i Apolosy fa i Jesoa no Kristy. Nanampy ny fampianaran’i Paoly izay sady tena nilaina satria mahay mandaha-teny i Apolosy, i Paoly kosa nahay nampianatra. Izy ireo no antsoinsika hoe: Mpirahalahy mianala ka ny iray tokin’ny ilany.
Fahamarinana: Ny fifarimbonana tahaka izany no tena ilaina amin’ny fitoriana ny Filazantsara amin’izao fotoana izao