Mana isan’andro 13 Novambra 2021
ASAN’NY APOSTOLY 19. 1 – 10 F.2
MANAMBARA HATRANY NY VAOVAO MAHAFALY
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
3 Ary hoy Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’i Jaona.
4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.
6 Ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
7 Ary tokony ho roa ambin’ny folo lahy no isan’izy rehetra.
8 Ary Paoly niditra tao amin’ny synagoga ka niteny tamin’ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason’ny olona maro, dia niala tamin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’andro tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano. [* Gr. lalana]
10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]