Mana isan’andro 12 Janoary 2022
EZEKIELA 33.1-20 F. 3, 6
MPITILY
1 [Fananterana ny nanendrena an’i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak’olona, mitenena amin’ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
3 ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra]
4 nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
5 Nandre ny feon’ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra*; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
6 Fa raha hitan’ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ny tànan’ilay mpitily.
7 Koa ianao, ry zanak’olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8 Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ny tananao.
9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’izany, dia ho fatin’ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
10 Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely?
12 Ary ianao, ry zanak’olona’lazao amin’ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ny andro ialany amin’ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ny andro anotany.
13 Raha lazaiko amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao*, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]
14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao*, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]
15 ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
17 Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran*’ny Tompo; nefa ny fitondran*’ny tenany no tsy marina.[Heb. lalan’]
18 Raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’izany izy.
19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’izany izy.
20 Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*’ny Tompo. He! ry taranak’Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan’]
Mpananatra (1-9).
Mpamelona (10-20).
Mana isan’andro audio: