Mana isan’andro 13 Janoary 2022 Ny teo aloha Mana isan'andro 14 Janoary... Ny tao aoriana Mana isan'andro 12 Janoary...

Mana isan’andro 13 Janoary 2022

EZEKIELA 33.21-33 F. 1, 5

FANANTENANA

21 [Ny nisokafan’ny vavan’i Ezekiela taorian’ny nandravana an’i Jerosalema haminany izay mbola hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo taorian’ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.

22 Dia efa tonga tamiko ny tànan’i Jehovah tamin’ny omaly harivan’ny andro nahatongavan’ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

23 Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

24 Ry zanak’olona, ny monina amin’ireny rava amin’ny tanin’ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika

25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?

26 Mitoky amin’ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?

27 Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ny sabatra izay ao amin’ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibi-dia, ary izay ao amin’ny harambato* sy amin’ny lava-tany dia ho fatin’ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]

28 Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.

29 Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.

30 Ary ianao, ry zanak’olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ny tranony, ka samy manao amin’ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’i Jehovah.

31 Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ny vavany*, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon’ny vavany]

32 Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra*, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.[Na: kalokalo]

33 Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.

Fahafahana (21-22).
Tonga tany amin’i Ezekiela sy ireo olona lasan-ko babo tany Babylona ny vaovao milaza fa afaka Jerosalema, nanamarina ny fahatanterahan’ny faminaniana nambaran’i Ezekiela tamin’ny olona. Niova nanomboka teo koa ny asa fanampoany, nisokatra ny vavany fa tsy moana intsony izy (ampitahao amin’ny Ezekiela 3.26 sy 24.26-27), ka nanjary naminany ny hisian’ny fanavotana sy ny fampodiana an’i Joda indray izy. Araraoty ny vaovao renao sy trangan-javatra eo amin’ny fiainanao manokana sy ny firenenao hitoriana ny filazantsara handraisan’ny olona ny famonjena sy handovany ny fiainana mandrakizay. Raha manana an’ilay hetaheta hamonjy fanahy very ianao, dia ny Fanahin’Andriamanitra no hanokatra ny vavanao hilaza ny famonjeny amin’ny fotoana rehetra sy ny tranga rehetra.
Tsy hombam-pankatoavana (27-33).
Nihaino an’i Ezekiela ihany ny olona nefa tsy nankato izay nolazainy satria mbola lavitra an’Andriamanitra ny fony; nitoky tamin’ny sampiny (25), nitoky tamin’ny heriny sady nanao fahavetavetana (26). Vokany : mbola ho rava sy lao indray ny tanàna (27-29). Nataon’izy ireo ho toy ny mpilalao an-tsehatra Ezekiela manambara ny hafatr’Andriamanitra izay noraisin’izy ireo ho toy ny fialam-boly (30-32). Mila mitandrina ny mpino ankehitriny sao lasa fampisehoana an-tsehatra ho fialam-boly fotsiny ny fanompoam-pivavahana sy ireo karazam-pitoriana filazantsara hatao etsy sy eroa. Endriky ny tsy fanajana an’Andriamanitra izany (Matio 15.😎.
Hafatra : “Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.” (Jakoba 1.22).
Mana isan’andro Audio: Tsindrio eto