Mana isan’andro 09 Febroary 2022
SALAMO 15.1-5 F. 1, 4
NY OLONA TSY HO LAVO MIHITSY
1 [Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin’Andriamanitra] Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
3 Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
4 Tsy manaja ny ratsy fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah; tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena]
5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Na dia mitoetra amin’ny toeram-boninahitra amin’ny maha-mpanjaka azy aza Davida, dia maneho fa ambony lavitra noho izany ny mitoetra eo amin’izay misy an’Andriamanitra dia ny tabernakely na ny tendrombohitry ny Tompo.
Efa azonao antoka ve fa mitoetra ao amin’ny Tompo ny fiainanao manontolo?
Ny toetra sy marika hamantarana ny olona tahaka izany
Misongadina ny toetrany anaty (2b).
Ny resahina eto dia mahasahana ny ao anatiny rehetra, fo, fanahy sy saina. Ny fahamarinana no ao.
Mandeha araka ny Fanahy (Galatiana 5.16-18, 22)
Matotra ny toetrany ivelany (2a).
Ny alehany sy ny ataony dia voamariky ny fahitsiana. Mahatoky amin’izay nekeny hatramin’ny farany (4b).
Fiainana: Epistily fantatra sy vakin’ny olona rehetra (2Korintiana 3.2)
Mazava ny fifandraisany amin’ny hafa.
Manavaka tsara ny ratsy fanahy sy ny sasany izay mety hifandraisany izy (4a). Izay miaraka aminy dia mahita soa avy amin’ny fifaneraserana aminy (3).
Fifandraisana kristiana: Fa isan’ny tenan’ny namantsika avokoa isika (Efesiana 4.25)
Madio ny fifandraisany amin’ny harena.
Tsy ny tombontsoa no ataony ambony noho ny fanampiana ny sahirana, na ny hahazo harena no mahatery azy noho ny fijoroana amin’ny fahamarinana (5a).
Tandremo: Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra (1Timoty 6.7-10)
Betsaka ny mety hamingana sy handavo amin’ny fiainana. Fanalahidin’ny fiorenam-piainana tsy ho simba no omen’ny Tompo eto.
Fampiasana : Mario sy diniho tsirairay ireo toetra 11 mamaritra ny olona tsy hangozohozo eo amin’ny fiorenan’ny fiainany. Dia mba ampiaro amin’ny fiananao koa fa ho vitanao izany raha mitoetra mandrakariva eo amin’ny fiarahana amin’ny Tompo ianao.