Mana isan’andro 06 Aogositra 2021
MATIO 22.23-33 F.1,6
FANAMBADIANA SY FITSANGANANA AMIN’NY MATY
Ny nanontanian’ ny Sadoseo an’ i Jesosy ny amin’ ny hitsanganan’ ny maty
23 Tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, ka nanontany Azy hoe:24 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny..25 Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka izy, dia navelany ho an’ ny rahalahiny ny vadiny;26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ ny fahafito.27 Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.28 Ary amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza amin’ izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’ Andriamanitra.30 Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.31 Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe:32 Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba ? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona.33 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ ny fampianarany.
Eto an-tany ihany ve ny fanambadiana sa mbola mitoetra aorian’ny fitsanganana amin’ny maty?
Ny tetiky ny Sadoseo (23-28).
Mifanohitra amin’ireo Fariseo izay mino ny fitsanganana amin’ny maty, ny Sadoseo dia tsy mino velively. Ka inona ary no antony hanatonany ny Tompo? Tsy ho amin’ny tsara na hianatra amin’ny Tompo aloha e! Inona no olana entiny eo anoloan’i Jesosy (25-28) ? Vakio ihany koa Deot.25.5-10. Tranga tsy mitombina : fameloma-maso ny rahalahy izay maty amin’ny alalan’ny fanambadiana ny vadiny no entin’ireo Sadoseo, izay tena ara-nofo, hanesoana ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy takany fa ny fitsanganana amin’ny maty dia manokatra fahafahana amin’ny fiainam-baovao afaka amin’ny firaisana ara-nofo sy fiterahana satria afaka amin’ny fahafatesana
Ny fanambadiana eto an-tany (29-33).
Fahadisoana ny tsy fahatakarana ny Soratra Masina sy ny herin’Andriamanitra. Ahoana ny amintsika mpanompon’Andriamanitra ankehitriny ? Mampianatra antsika ny Tompo fa tsy hisy intsony ny fanambadiana any an-danitra. Fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fiainana mandrakizay. Misy fanantenana aorian’ny fahafatesana. Fantatrao ve fa ety an-tany dia tokony efa miomana dieny izao ianao mba ho isan’ireo velona fa tsy isan’ireo maty mandrakizay ? Inona no ataonao amin’izany ? Na dia izany aza, raha mbola eto an-tany koa, ny mpivady dia tokony hanana fifandraisana manome voninahitra an’Andriamanitra fa tsy hikorontana sy hiady lava toy izay hita eo anivon’ny tokantrano maro ankehitriny!
Fampieritreretana :
“Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika” (1 Korintiana 15.19)

Application Mana isan’andro, afaka alainao ao @ Play Store