Mana isan’andro 03 Septambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 04... Ny tao aoriana Mana isan'andro 02...

Mana isan’andro 03 Septambra 2021

1 MPANJAKA 18.20-46 F.2

JEHOVAH NO ANDRIAMANITRA

20 Dia naniraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.21 Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.22 Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.23 Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.24 Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo hianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.25 Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha hianareo, satria hianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.26 Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.30 Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava31 ka naka vato roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ ny zanak’ i Jakoba, izay nihavian’ ilay tenin’ i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ ny anaran’ i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ ny famarana.33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ ny kitay hazo,34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra odorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.36 Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.37 Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.38 Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra odorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.41 Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’ i Karmela, dia niankohoka tamin’ ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ ny lohaliny43 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.44 Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan’ olona miakatra avy eny amin’ ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin’ i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ ny ranonorana hianao.45 Ary vetivety dia maintin’ ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ ny kalesy ka nankany Jezirela.46 Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan’ i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.

Tsy mety ny misalasala

Ny heloky ny Zanak’Isiraely akory tsy hoe izy tsy nanompo an’i Jehovah intsony fa ilay izy sady nanompo an’i Jehovah no nanompo an’i Bala. Halan’Andriamanitra saro-piaro tanteraka izany satria efa nambarany hoe “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” (Eksodosy 20.3) . Mila misafidy hianareo hoy Elia na Jehovah na Bala (21).

Ny fandatsahana afo, porofon’izay tena Andriamanitra

Ny mpanompo sampy sasany dia nihevitra an’i Bala ho andriamanitra mpandatsa-baratra ka asa na izany no antony nifidianana’i Elia ity fisedrana amin’ny afo ity? Samy hametraka fanatitra eo ambony alitarany avy ny andaniny sy ankilany (23) ka hiantso ny andriamaniny ka izay mamaly amin’ny afo no ekena ho Andriamanitra (24). Niantso ny andriamaniny ary ireo mpaminanin’i Bala (26, 29a) kanjo tsy nahazo valiny mihitsy (29b). Rehefa niditra an-tsehatra kosa Elia, dia natsangany aloha ny alitaran’i Jehovah efa rava (30 ; jereo 19.10). Miseho ho mpanarina ny fivavahan’Isiraely efa mikorosofahana izy amin’izany. Ny fanondrahana rano ny kitay (34-35) dia entina hampibaribary ny tsy fisian’ny afo miafina. Raha vao niantso an’i Jehovah Elia (36-37), dia nilatsaka avy hatrany ny afo ka samy niaiky fa Jehovah no Andriamanitra (38-39) !

Fahafatesana no tambin’ny ota

Ireto mpaminanin’i Bala ireto dia niteraka ny fahatezeran’Andriamanitra ka voaheloka ho faty (40) ny karazan’olona toy izany (Deotoronomia 13.7-16). Raha vao voahilika ireto mpaminany sandoka ireto ka nivavaka Elia dia nilatsaka ny ranonorambe (44-45), fanomezana avy amin’Ilay Tompon’ny aina, satria ny rano dia midika aina.
Fanentanana : aza miandry afo milatsaka avy any an-danitra vao hino fa “sambatra…izay tsy nahita nefa nino” (Jaona 20.29)

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *