02/10/2023
KATEKOMENA
« …fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra » Rom.6.13a
« Mitsangana ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy », hoy Jesoa. Lio.22.46
Araka ny fanapahan-kevitry ny fiangonana ny taona taona 2020, indrindra noho ny fahatsapana fa sady ASA no ANDRAIKITRA apetraky ny Tompo kanefa koa tena FIAINANA ny mivavaka, dia nanapa-kevitra ny fiangonana fa ny katekomena rehetra isan’andiany dia ho entina hitokana am-bavaka any amin’ny toby lehibe SOATANANA isaky ny volana Aogositra. Rehefa natao ny fandaminana samihafa dia manodidina ny 15 Aogositra isan-taona no fanatanterahana izany.
Hatreto izany dia efa nisy andiany 3 nisesy namonjy izany fitokanam-bavaka tao Soatanana izany.
Ho fandaminana dia misy hatrany ireo ray aman-dreny miaraka amin’izy ireo amin’izany izay tarihin’ny Mpitandrina, Biraon’ny fiangonana ary Mpiandry omban’ny Diakona sy ireo kristiana te-hitokam-bavaka.
Izany rehetra izany dia ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
ASAN’NY FIANGONANA
« Indro havaoziko ny zavatra rehetra », hoy ny Tompo. Apo.21.5b
Ho fihavaozana sady ho fanavaozana ny fiainam-piangonana dia indro tanisaina ireo asan’ny fiangonana tontosain’ny kristiana eto amin’ny FJKM Anosy Avaratra Vaovao nanomboka ny taona 2019 :
1. Ezaka ho fanitarana fiangonana :
a. Ilay trano fiangonana no itarina ho lehibe kokoa ka natomboka tamin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny fiangonana izany ny Mey 2018. Hatrizao dia mbola eo am-panangonana izay ho enti-manana : vola, teknika, fitaovana, …
b. Ilay fiangonana olona koa itarina ho lehibe eo amin’ny FITIAVANA an’Andriamanitra sy FITIAVANA ny olombelona rehetra. Io no hery manosika sy manentana ny rehetra hiasa.
2. Tafika Masina ao anatin’ny 407 kominina tsy mbola misy fiangonana FJKM : araka ny fandaminan’ny FJKM Foibe dia notsinjaraina isaky ny Synodam- paritany ary tonga hatraty amin’ny isam-pitandremana ny ezaka hanao tafika masina amin’ireo kominina miisa 407 tsy mbola misy fiangonana FJKM. Noho izany dia nahazo ny kominina Miary Lamatihy (Sakaraha) ny teto Anosy Avaratra. Fiaraha-miasa amin’ny FJKM Andakana Ambohimanga Rova, Amboara Ambohimanga, Ambohimandroso Ambohimanga, ary Miadana ny fanatanterahana iznay. Mandroso tsara ny asa
a. Efa vita hatramin’ny tafo ary efa misy varavarana ny trano fiangonana izay natomboka ny taona 2019
b. Efa misy fotoam-bavaka isaky ny alahady maraina ka ny Mpitandrina sy ny FJKM Sakaraha no mandray an-tanana ny fitaizana am-panahy ny kristiana ao Miary Lamatihy ankehitriny.
c. Efa nisy olona natao batisa, efa misy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
3. Aumonerie CHRD Anosy Avaratra : noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia nanapa-kevitra ny fiangonana fa hanorina Aumonerie eto amin’ny faritry ny fiangonana. Koa ny Oktobra 2022 dia natomboka ny fifampiresahana sy dinika tamin’ireo vondron’olona vonona sy afaka miara-miasa ho fanorenana izany asa izany. Natomboka ny fanorenana ny CHAPELLE ao amin’ny Hopitaly (CHRD) ary efa mijoro ny rindrina ankehitriny. Ny Jona 2023 dia efa natomboka ny fotoam-bavaka isak’Alahady maraina araka ny fandaminana niarahana nadray tamin’ny lehiben’ny CHRD Anosy Avaratra.
Ny Alatsinainy antoandro manomboka amin’ny 11 ora sy 30 mn no fiaraha-mivavaky ny Fikambanan’ny Mpitsabo Kristiana (FMK) eo anivon’ny Hopitaly Anosy Avaratra.
Ny Talata sy Zoma amin’ny 2 ora antoandro kosa no famangiana sy fitsidihana ireo marary miditra hopitaly, tontosain’ny Mpiandry manodidina, tarihin’ny Mpitandrina Aumonier.
Raha misy ireo marary na fianakavian’ny marary sahirana dia manao fanampiana ny Aumonier ho azy ireny.
Marihina fa voatendry ho Aumonier eto anivon’ny SP Iarivo Avaradrano ary hitantana ny Aumonerie CHRD Anosy Avaratra ny Mpitandrina RAZANAKINIAINA H. Violette nanomboka ny Jolay 2023. Isaorana ny Tompo ny fandaminana rehetra.
4. Fa ny Janoary 2023 dia tonga namangy ny Mpitandrina ny fianakaviana tompon’ny tany eo avaratry ny fiangonana ary nilaza ny fikasany hivarotra io tany io, mirefy 298 m2. Araka izany dia nanapa-kevitra ny fiangonana fa hividy io tany io, ka ny ezaka SAKAFO AGAPE hatao ny Alahady 01 Oktobra 2023 ho hanatrarana izany.
5. Tsy azo adinoina koa anefa ny fanatsarana ny trano fivoahana sy fidiovana eto amin’ny fiangonana, izay hatsaraina araka ny toe-bola eo am-pelatanana.
Ireo rehetra ireo no atao dia ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany sady ho fanavaozana sy ho mariky ny fihavaozan’ny fiangonana FJKM Anosy Avaratra Vaovao (olona sy trano).
Ampiditra Hafatra