Mofon’aina Alakamisy 24 Febroary 2022
Nomery 23. 16-24
VAHOAKA ISIRAELY, VAHOAKA TIAN’ANDRIAMANITRA
Ary Jehovah nihaona tamin’i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena amiko mankeo amin’i Balaka, ary izany no holazainao. 17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’i Jehovah? 18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’i Zipora; 19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina; Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny? 20 Indro, ny hitahy no efa azoko; Ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho. 21 Tsy mijery faharatsiana eo amin’i Jakoba Izy, Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’andriana no re eo aminy. 22 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, Ary manan-kery [Na; tandroka.] toy ny ombimanga. 23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin’i Jakoba, Ary tsy misy fankatovana eo amin’Isiraely. [Na: Fa tsy leon-tsikidy Jakoba ary tsy leom-pankatovana Isiraely.] Fa amin’ny fotoana no hilazana amin’i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’i Jehovah. 24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; Tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ny voavono.
————–
Nantsoin’i Balaka Balama mba hanozona ny Zanak’Isiraely mba ho mora amin’izy ireo ny mandresy azy. Rehefa nihaona tamin’i Balama anefa Jehovah dia nahatsapa fa vahoaka notahian’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely ka mahery toy ny liona, ary tena sarotra resena noho ny fitahian’Andriamanitra azy. Arak’izany ny vahoakan’Andriamanitra izay tiany dia
1. Notahiany (and 20)
« Indro, ny hitahy no efa azoko; Ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho »
Tsy nasain’Andriamanitra nanozona ny vahoakany Balama rehefa nihaona Taminy amin’ny andininy ao ambony ao. Tezitra Balaka noho izany, fanozonana no nandrasany tamin’i Balama kanjo tsodrano no natolony. Noho io tsodrano azon’ny Zanak’Isiraely io mantsy dia vao maika ho sarotra ho an’i Balaka ny handresy azy. Rehefa niverina nihaona tamin’Andriamanitra Balama dia tsy niova ny tenin’Andriamanitra. Tsy mahazo manozona Balama, mitsodrano no nasain’Andriamanitra nataony. Vahoaka notahian’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely ka tsy azo ozonina. Tsy mivadika amin’ny teniny ny Tompo, rehefa mitahy dia tena mitahy tokoa, ary izany fitahiany izany dia mariky ny fitiavany ny vahoakany. Tsy misy maha-ova izany fanapahan-kevitry ny Tompo hitahy ny vahoakany izany na iza na iza. Isika Kristianina no vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Noho ny amin’ny finoana an’i Jesoa dia misitraka fitahiana sy fahasoavana avy amin’Andriamanitra isika, tsy miova izany tenin’Andriamanitra izany. Andriamanitra tsy mahay mandainga rahateo Izy.
2. Namindrany fo (and 21)
« Tsy mijery faharatsiana eo amin’i Jakoba Izy, Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’andriana no re eo aminy »
Matoa Andriamanitra tsy mijery ny faharatsian’ny Vahoakany dia satria efa namindra fo sy namela heloka azy. Vahoaka misitraka famindram-po avy amin’Andriamanitra ity vahoaka isiraely ity ka tsy azo ozonina. Izany no hafatra azon’i Balaka avy amin’Andriamanitra noentin’i Balama. Noho ny Tompo mamindra fo sy mamela heloka ny vahoakany dia tonga miandany aminy. Ary rehefa ny Tompo no miandany amin’ny vahoakany dia sarotra resena izy. Noho isika namindran’Andriamanitra fo sy navelany heloka noho ny amin’i Jesoa dia tonga mahery isika ka sarotra ho an’ny fahavalontsika ny handresy antsika. Sambatra isika, amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika fa misitraka fitahiana sy famindram-po, noho izany dia sarotra amin’ny fahavalontsika ny handresy antsika fa miandany amintsika ny Andriamanitsika.