Mofon’aina 28 Novambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 29 Novambra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 27 Novambra 2021

Mofon’aina 28 Novambra 2021

Salamo 16. 7-11

JEHOVAH NO MPANOLO-TSAINA ANTSIKA

Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. 8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. 9 Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. 10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka Hianao. 11 Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
——————
Mpanolo-tsaina hendry ny Tompo amin’ny mpanao Salamo. Raha ny Tompo tokoa no manolo-tsaina dia
1. Mandray anatra mandrakariva isika (and 7)
« Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko »
Toromarika mahasoa hitondrana ny fiainana ny anatra. Izay toloran’Andriamanitra saina dia hahazo izany avy Aminy. Isika mahalala fa raha ny Tompo no mananatra dia ny hahasoa mandrakariva no tanjon’izany. Izay tsara hatrany mantsy no omen’Andriamanitra, izay tsara mahasoa antsika. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no hanomezan’Andriamanitra toromarika mahasoa antsika. Andriamanitra mantsy no mahalala izay tena mahasoa antsika, izany no mahatonga Azy hanaiky ho mpanolo-tsaina antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
2. Milamina ny fiainantsika (and 😎
DIEM « Ataoko eo anoloako mandrakariva ny Tompo, eo an-kavanako Izy ka tsy hihontsona aho »
Ny hoe tsy mihontsona (tsy mangozohozo) dia ho enti-milaza zavatra tsara fitoerana, tsara fototra ka mitoetra tsara. Na inona rivotra mifofo dia mitoetra tsara izy ka tsy mihontsona. Rehefa ny Tompo tokoa no manolo-tsaina dia mampilamina ny fiainana izany. Milamina tsy manana ahiahy izay mahazo toromarika avy amin’Andriamanitra hitondrany ny fiainany. Miaina lavitry ny tahotra sy ny tebiteby aman’ahiahy ny fiainan’izay mahazo tolo-tsaina avy amin’ny Tompo. Jesoa dia tena nanana fiainana nilamina noho Izy nanana ny Fanahy Masina ho Mpanolo-tsaina Azy mandrakariva tamin’ny fiainany teto amin’izao tontolo izao. Tena nanam-pahendrena tokoa Izy nitondra tena noho ny tolo-tsain’ny Fanahy Masina.
3. Manampifaliana mandrakariva isika (and 9)
DIEM « koa faly sy ravo ny fo amam-panahiko, ary izany no itoerako amim-pitokiana »
Anisan’ny fototra nampiditra ny fijaliana sy ny fahoriana ary ny fahasahiranana teto amin’izao tontolo izao ny naneken’ny olombelona ny tolo-tsain’i satana tao Edena fahizay. Mahatonga fifaliana ny fiainana milamina sy mirindra. Ny famelana an’Andriamanitra hanolo-tsaina amin’ny zavatra rehetra no hampirindra izao fiainana izao. Araka izay nolazaina teny ambony, tsy mikendry afa-ts’izay hahasoa antsika Andriamanitra. Tsy mikendry afa-ts’izay hananantsika fifaliana hatrany ny Tompo. Noho ny fiainana azo antoka hoy ny Mpanao Salamo dia faly sy ravo izy. Azo antoka ilay fiainana noho ny toromariky ny Tompo. Izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra hatrany no mampisy fifaliana.
4. Velona tsara isika (and 10,11)
« Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko… Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao »
Fahavelomana roa no ambaran’ny mpanao Salamo eto :
– Fahavelomana eto amin’izao tontolo izao : miantoka ny hananana fiainana eto amin’izao tontolo izao izay tolo-tsain’ny Tompo. Eto amin’izao tontolo izao tokoa mantsy no nametrahany antsika. Eto isika no mandray fitahiana avy Aminy
– Fahavelomana mandrakizay : tsy foin’Andriamanitra ho very ny olony. Arovany tsy ho lasa any amin’ny fiainan-tsi-hita. Taominy sy tarihiny handova mandrakariva ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakany.
Ireo zava-droa loha ireo no tena antony nahatongavan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao. Fiainana mirindra sy milamina eto an-tany ary fiainana mandrakizay any an-danitra rahatrizay.