Mofon’aina 23 Oktobra 2021
Lioka 14. 28-35
NY FANARAHANA AN’I JESOA
Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany anaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? 29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita 30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita. 31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ny iray alina izy, na tsia? 32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana. 33 Ary toy izany koa hianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro. 34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? 35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino
——————
Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia niantso ny mpiarabelona Taminy hanaraka Azy. ny hoe manaraka an’i Jesoa dia mety misy heviny maro. Ohatra amin’izany ny hoe mandeha amin’izay nandehanany : làlan’ny hazo fijaliana, làlan’ny fanetre-tena sy ny fanompoana an’Andriamanitra, làlan’ny fitiavana sy ny famindram-po, sns… izany fanarahana an’i Jesoa izany dia tsy tokony hohadinoina fa mitaky
1. Fahavononana (and 28,31)
« Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany anaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?… Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ny iray alina izy, na tsia? »
Mila fotoana handinihan-tena tsara aloha ny fanarahana an’i Jesoa. Mila fahavononana amin’ny lafiny rehetra mantsy izany (saina, vatana, fanahy). Tsy ho afa-manaraka an’i Jesoa mantsy izay mafana fo am-boalohany ka tsy naka fotoana nisainana tsara. Tsy zavatra mora mantsy ny manaraka an’i Jesoa. Izany no maha-maro ireo latsaka an-dalana ireo mpanara-dia an’i Jesoa. Ambara eto moa hoe nanao trano tsy nahavita izy. Tsy ampy ho enti-manaraka an’i Jesoa arak’izany ny hafanam-po tsy nisy fandinihana. Miantso ny olona rehetra tokoa Andriamanitra, miantso ny olona rehetra hanaraka Azy koa Jesoa, aleo maka fotoana handinihina tsara mba tsy hiverenana an-dàlana sy hialàna an-daharana amin’ny fotoana izay mety maha-mafy ny fanarahana an’i Jesoa.
2. Fahafoizana (and 28)
« Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany anaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? »
Misy zavatra takian’ny asa fanorenana trano sy ny ady atao eto amin’izao mofonaina izao. Misy fandaniana amin’izany. Misy fandaniana mila heverina tsara. Misy izay atolotra sy omena mba hahatanteraka izay haorina. Mampianatra antsika Jesoa avy amin’izao mofonaina izao fa miandry izay vonona hanaraka Azy ny fahafoizana. Izy rahateo no efa nanome ny modely tsara indrindra tamin’izany : fanolorana ny ainy hamonjy ny sakaizany. Fanolorana ny tenany ho fiainana sy ny ràny ho famelan-keloka. Ny hira faha-109 amin’ny hira FFPM dia mitanisa ireo zava-tsoa rehetra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Jesoa. Izay rehetra te hanaraka an’i Jesoa dia mila manana toe-po amam-panahy mahafoy ho an’i Jesoa izay arahiny.
Ampiditra Hafatra