Mofonaina 21 Febroary 2021
1 Tesaloniana 2. 13-16
NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAHATONGA FINOANA HAHAJOROANA HO VAVOLOMBELON’I JESOA HATRAMIN’NY FARANY
Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa. 14 Fa hianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy, 15 izay namono an’i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra, 16 ka mandrara anay tsy hitory amin’ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan’ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan’ny fahatezerana hatramin’ny farany izy.
Hoy Jesoa indray maka tamin’ny mpianany : « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » Matio 24. 13. Izany hoe izay mahazona ny finoany an’i Jesoa hatramin’ny fara-fofonaina no mahazo manantena famonjena. Ahoana no hahatonga antsika hanana finoana matanjaka, ka raha ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra Jesoa dia ho isan’izay raisiny hiara-handova Aminy ny fanjakan’Andriamanitra isika ? Mamaly izany fanontaniana izany ny mofonaina raha milaza ny maha-zava-dehibe ny tenin’Andriamanitra Paoly. Amin’i Paoly ny tenin’Andriamanitra no mahatonga finoana hahazakana ny zava-mafy eto amin’izao tontolo izao, ny tenin’Andriamanitra no loharanon’ny finoana hahajoroana hatramin’ny farany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ireto fahamarinana telo ireto no tsara tadidiana raha mamaky izao mofonaina izao isika
1. Tsy maintsy toriana ny tenin’Andriamanitra (and 13)
« Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo »
Ambaran’i Paoly tsara fa noho ny asa fitoriana ny filazantsara no nahatonga ny Kristianina tao Tesalonia afaka nandray tsara ny tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy misy mpanompon’Andriamanitra mitory filazantsara arak’izany vao tonga any amin’ny olona ny tenin’Andriamanitra. Tsy tonga tonga ho azy arak’izany ny finoana, misy fikelezan’aina ny sasany ao. Izany fikelezan’aina izany no ahafahana mitondra ny tenin’Andriamanitra, ary ny tenin’Andriamanitra no mahatonga finoana ho an’izay itoriana ny filazantsara.
Miantso antsika indray izao tenin’Andriamanitra izao hanao ho zava-dehibe ny fanelezana ny filazantsara mba hahatonga ny olona handre ny tenin’Andriamanitra. Rehefa mandre izany tenin’Andriamanitra izany izy dia ho tonga amin’ny finoana an’i Jesoa izay toriana aminy.
2. Tsy maintsy raisina tsara ny tenin’Andriamanitra (and 13)
« Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa »
Rehefa notoriana tamin’ireo Kristianina tao Tesalonia ny filazantsara dia ambaran’i Paoly fa noraisin’izy ireo izany. Fantany mantsy fa tenin’Andriamanitra no notoriana tamin’izy ireo, ary antony tena nandraisan’izy ireo izany ny maha-tenin’Andriamanitra azy. Tsy mahagaga raha nanana finoana mahagaga izy ireo. Tsy mahagaga raha tonga tamin’ny finoana marina an’i Jesoa izy ireo. Tsy ampy fotsiny arak’izany ny hoe misy mitory ny filazantsara, mba hahatongavana amin’ny finoana dia mila mandray ny filazantsara toriana aminy ny olona. Io filazantsara toriana aminy io no mitondra azy ho amin’ny finoana.
Olana sedrain’ny fiarahamonina ankehitriny ity tsy fahaiza-mandray ny filazantsara toriana ity. Tsy mahagaga raha toa ka tsy manam-pinoana ny olona. Etsy an-kilany dia miasa mafy ilay ratsy manongotra ny tenin’Andriamanitra izay toriana, etsy an-daniny, variana amin-java-kafa ny olona ka manadino an’Andriamanitra sy ny teniny. Ezaka tsy maintsy ataon’ny fiangonana ny mitory filazantsara, ezaka tsy maintsy ataon’ny rehetra koa anefa ny mandray tsara ny tenin’Andriamanitra toriana aminy hananany finoana matanjaka.
3. Ny tenin’Andriamanitra voaray tsara no mampaharitra amin’ny finoana an’i Jesoa (and 14)
« Fa hianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy »
Ny Kristianina tany Jodia dia niharan’ny tsy rariny, niharan’ny fanenjehana, niharan’ny fandrarana samihafa noho ny finoana an’i Jesoa. Teo anatrehan’izany anefa dia tsy niala tamin’Andriamanitra izy ireo, tsy niala tamin’ny finoana izy ireo. Natanjaka ny finoan’izy ireo ka nahazakany ny zava-manahirana samihafa nataon’ireo Jiosy tamin’izy ireo. Nazoto nampianatra ny tenin’Andriamanitra mantsy ireo Apostoly, ary io tenin’Andriamanitra nampianarina tamin’ny fotoana maharitra io no nampahatanjaka ny finoan’ireo Kristianina tany. Toa azy ireo koa ny Kristianina tany Tesalonia. Nandray tsara ny tenin’Andriamanitra, natanjaka tamin’ny finoana, ka na dia mafy aza ny fijoroana vavolombelona dia tsy niala tamin’Andriamanitra, tsy niala tamin’ny finoana an’i Jesoa, tsy niala tamin’ny fivavahana Kristianina. Raha te hahazaka ny fiainana sy ny zava-misy eto amin’izao tontolo izao ny mino dia mila ny tenin’Andriamanitra izy.
Be dia be no efa niala nandao ny fiangonana sy ny finoana, antony tsy azo ialàna ny momba ny tenin’Andriamanitra. Ferana ny fandinihana sy ny fianarana izany, ferana ny toriteny, ferana ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny. Tsara dinihin’ny fiangonana ihany ny momba izany mba hahatonga ny fiangonana hananana Kristianina matanjaka amin’ny finoana ka haharitra hatramin’ny farany amin’ny finoana an’i Jesoa.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina
Ampiditra Hafatra