Mofon’aina 20 Desambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 05 Janoary 2022 Ny tao aoriana Mofon'aina 17 Desambra 2021

Mofon’aina 20 Desambra 2021

Zefania 3. 14-17

NY FIFALIAN’NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony hianao. 16 Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe: Aza matahotra, Ary aza miraviravy tànana, ry Ziona. 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; Ho sondriana [Heb. hangina] amin’ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ny fihobiana Izy.
——————
Zefania dia Mpaminany teraka tamin’ny andro izay nanjakan’i Manase teo amin’ny Joda. Manase dia ilay mpanjaka nampahory indrindra ny Zanak’isiraely satria tena nanompo sampy be tsy nisy toa azy teo amin’ny Joda. Zefania dia nitaona ny vahoaka tao Joda hanatona an’Andriamanitra tamin’ny fibebahana, hany ka rehefa nanjaka Josia dia tsy nahagaga ny nisian’ny fanitsiam-pivavahana. Azo lazaina fa vokatry ny asan’i Zefania izany. Eto amin’izao mofonaina izao dia antsoina hifaly ny vahoaka Isiraely satria
1. Efa noesorina ny fanamelohana azy (and 14,15)
DIEM « Mihobia, manaova firavoravoana, mifalia sy mibitaha… ny Tompo efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo »
Efa tsy manameloka ny vahoakany intsony Andriamanitra arak’izao hafatra nampitondraina an’i Zefania izao. Noho izany dia nantsoina hanam-pifaliana izy ireo. Antony tena tokony hahafaly arak’izao ny tsy hanamelohan’Andriamanitra. Rehefa tsy manameloka tokoa ny Tompo dia hamonjy Izy izay. Noho ny amin’i Jesoa dia tsy manameloka antsika intsony tokoa Jesoa, efa noentin’i Jesoa rahateo ny fanamelohana rehetra. Efa tena namonjy antsika tokoa Izy. Aoka hanam-pifaliana mandrakariva noho ny amin’izany isika.
2. Efa nomban’Andriamanitra izy (and 14,15)
DIEM « Mihobia, manaova firavoravoana, mifalia sy mibitaha… Izy efa nampandositra ny fahavalonareo, ny Tompo Mpanjakan’i Isiraely, no momba anareo »
Noho ny fomban’Andriamanitra ny vahoakany dia tsy afa-nanao na inona na inona intsony ny fahavalony. Teo afovoan’ny vahoakany rahateo ny Tompo ka tsy azon’ny fahavalo natao na inona na inona izy ireo. Io fomban’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely io dia tena tombony lehibe ho azy satria Andriamanitra mihitsy araka ny Soratra Masina no mijoro ho fahavalon’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ary isika mahalala tsara fa tsy mbola nisy fahavalon’Andriamanitra naharesy Azy. Noho ny fomban’i Jesoa ny fiangonana dia tsy mbola naharesy ny fiangonana na oviana na oviana.